You are here

Pagine a colori, hetsika hanasan'ny Tetezana Onlus.

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 29/09/2010 - 19:50

Miarahaba ampifaliana

Pagineacolori dia hetsika iray hampiroboroboana ny fampielezana
ny fanoratana boky sy ny kisarisary ary izay rehetra mahasahana ny
fanontàna ho an'ny ankizy sy ny tanora. Amin'ity andiany 2010 ity dia
naompana amin'ny Fivahiniana ny lohahevitry ny hetsika.

Nanintona ny Tanànan' Tarquinia izany lohahevitra manome lanja ny
hetsika ara-kolotsaina any amin'ny tany sahirana izany, any amin'ireo
tany izay mila ezaka lehibe dia lehibe tokoa mba hahafahan'ny mponina 
mamaky boky manomboka any amin'ny fahazazana.

Ny tetikasa "Biblioteca in Madagascar" dia natao indrindra
hisintonana ny sain'ny mponina eto an-toerana mba hampandraisana anjara
mivantana azy ireo amin'ny fanohanana ara-materialy sy ara-bola
enti-miatrika ny fampitaovana ny fampianarana sy famakiam-boky,
indrindra ireo ankizy izay niangaran'ny vintana ka tsy mba manana izay
enti-manana amin'izany.

Antenaina moa fa dia vao santatra am-bavarano izy ity fa mbola ho
maro ny fifanakalozana sy fiaraha-miasa amin'ny "Biblioteca di
Tarquinia".

Ka izany no hanasana antsika rehetra ihany koa
handray anjara amin'io hetsika io ny asabotsy 2 oktobra izao araka ny
fandaharana ampiarahana amin'ity.

Marihina fa hisy ny fanentanana ho an'ny ankizy indrindra indrindra. Jereo ny fandaharampotoana etsy ambany

Misaotra sahady ireo manampy amin'ny fanatanterahana izao fikarakarana izao, ary dia manantena antsika ho tonga maro.

PS: izay te handeha nefa tsy manana fiara dia afaka miantso mba  hanomanana izany, ary   izay mba manana toerana malalaka ka afaka mitondra namana malagasy koa dia mba aoka hifanampy.

___________________________________

Tetezana a présenté son « Projet de Bibliothèque » à Tarquinia  (province de Viterbo). Depuis six ans s’y déroulent les « Pages en couleurs » dédiées à l’exposition, aux écrivains et, en général, à l’édition pour enfants. La manifestation est dirigée par une des membres de Tetezana Onlus, spécialisée dans le domaine des livres pour enfants et la promotion d’évènements culturels. La manifestation adopte chaque année un thème, et l’édition de cette année est dédiée au Voyage.

La commune de Tarquinia a tout de suite manifesté une grande attention au soutien et à la promotion des activités culturelles dans les zones   défavorisées du monde où il y a encore beaucoup à faire pour que la lecture et les livres soient accessibles à tous depuis le tout jeune
âge.

Le Projet de Bibliothèque à Madagascar a donc été accueilli avec enthousiasme dans le but d’opérer un jumelage entre des bibliothèques italiennes et les futurs centres de lecture et bibliothèques scolaires  dans les zones rurales de l'Île Rouge.

Notre objectif est de réussir à sensibiliser la population italienne sur les besoins concrets des personnes qui vivent dans la pauvreté et de collecter ainsi des fonds pour l’acquisition de livres, de matériels didactiques, et de fournitures pour dessin destinés spécialement aux enfants défavorisés.

Un grand merci à la Bibliothèque de Tarquinia d’avoir bien voulu jeter les bases pour un échange profitable et un développement durable.

Vous êtes donc tous invités à cette manifestation à la commune de
Tarquinia le samedi 2 octobre prochain à partir de 17h 30 (cf programme
ci joint)

 

pieghevole_tarquinia_2010_def 1

 

 

Pghevole_tarquinia_2010_def 1