You are here

Ny ankizy tany San Donato (sy Video)

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 24/08/2007 - 19:19

Araka ny efa nanaovana antso teto moa dia misy ilay fialantsasatra ho an’ny ankizy malagasy karakarain’ny Fikambanana “Tetezana onlus”, miaraka amin’ny “Regione Lazio” nanomboka tamin’ny 1 aogositra ka hifarana amin’ny 15 aogositra eny San Donato di Val Cimino (Frosinone) ka misy 10 mianadahy ireo nandray anjara izay iadidian’i Andry Rakotomavo.

Maro ny zavatra ataon’izy ireo miaraka amin’ireo 10 mianadahy avy any Equateur : lalao, fanatanjahantena, fifanakalozana ara-kolotsaina, ka anisan’izany ity aseho anareo eto ity : ny “dihy malagasy” izay nasehon’ny 9 tamin’izy ireo : Tanjona, Tojo, Cassi, Jessi, Nadia, Lolita, Mialy, Ianja ary Ifaliana, ny 7 aogositra teo teny Gallinaro, tànana kely iray tsy lavitra ny toerana itobian’izy ireo (marihina fa Madagasikara ihany no nampiseho dihin-drazana tamin'ity takariva ity).

Tsy aritro ny tsy hizara azy ity eto, hanehoana amintsika fa tsy very ny mahamalagasy azy ireo rehefa isika ray aman-dreny no miezaka hatrany mampita izany aminy.

Isaorana be dia be koa ireo ray aman-dreny tsy nahalala andro alina - na teo aza ny halaviran’ny toerana (làlana tokony ho adiny roa teo) sy ny havizanana taorian’ny asa aman-draharaha - fa tonga tokoa nanotrona sy nanome lanja izany zavatra kely saingy tena vokatry ny fo nomanin’izy ireo izany.

Fisaorana ihany koa ho an’i Andry sy ireo mpiandraikitra ireo ankizy hafa firenena amin’ny fandavantena lehibe asehon’izy ireo hampifaliana ny ankizy.

Mankasitraka e !

Rondro.