You are here

Noelin'ny ankizy malagasy eto Roma.

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 15/12/2009 - 09:34

Ho aminareo sy ho herinareo anie ny fahasoavan’ny Tompo!

Asaina isika Malagasy rehetra tsy an-kanavaka mba ho tonga
hiara-mankalaza ny Noelin’ny Ankizy Malagasy 2009, izay hatao ao
amin’ny Via Aurelia, 472 (na 476) ny alahady 20/12/2009 amin'ny 3 ora
tolakandro
na 15h00.

Asaina daholo ianareo hatramin’ireo ray aman-dreny masoivoho sy ireo
tompon’andraikitra rehetra amin’ny sehatra maro samihafa, ny tanora sy
ny zatovo, ary indrindra ireo ankizy sy ny kilonga izay tena tompon’ny
fety.

Ilazao sy asao ireo namana tompon-tany na vahiny hafa te hahafantatra
izany fiarahantsika izany, satria isika Malagasy dia miezaka hatrany
miaina ny fihavanana miaraka amin'ny olona rehetra, izay soatoavina
mampiavaka antsika, sady miezaka mifankatia toy ireo firenena maro hafa
koa izay mandala ny fiombonana. Izay kely vitantsika moa no
hiaraha-mizara.
Misaotra mialoha anareo handray anjara sy mpikarakara rehetra izay tsy ary ho voatanisa eto

Ny Fivondronamben'ny Malagasy rehetra eto Italia dia faly manolotra
anareo sy ny isa-tokonam-baravarana ny Arahaba Feno, tratry ny Noely
2009 sy ny taom-baovao 2010.

Ny Malagasy rehetra eto Italia, tarihin’ny Masoivoho, arahin’ny FFKM sy
ireo Fikambanana samihafa (Zanak’i Gasikara, Fraternità, Tetezana,
sns…).

Rabenirina Joseph, sj.