You are here

Mondialido, Raikitra ny baolina

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 17/05/2007 - 17:05

Nanomboka tamin'ny alahady 13 mey 2007 teo izany ny fanokafana ny Mondialido izay lalao iraisampirenena momba ny baolina kitra eny Lido-Ostia. Misy firenena 18 no mandray anjara ary anisan'izany i Madagasikara. Nahavoaangona mpilalao 16 hiatrika ity fifaninana ity ny Malagasy eto Roma ka niaka-tsehatra sahady tamin'io alahady io ihany.

I Japon, Pologne ary Ucraine no iray tarika amin'i Madagasikara eo amin'ny fifanintsanana. Fihaonana tamin'i Japon ary no nisantarana azy tao amin'ny kianjan'i Lungarina Ostia. Saika nandresy ihany ny Malagasy satria dia efa nitarika 1-0 saingy resin'ny Japoney 4-2 nony tapitra ny 80 min nihaonana.

Nahafinaritra ny fiaraha-milalao na dia hoe tamin'io fotoana io aza vao tena niaraka tanteraka satria noho ny asa aman-draharaha sy ny fahasahiranana isan-karazany dia tsy tafaraka hatrany isaky ny fanazaran-tena. Hita ihany koa ny faharerahana eo amin'ny mpilalao malagasy... tsy ifanomezantsiny.

Isaorana be dia be ireo nanatrika sy nanohana ny ekipa malagasy nitehaka sy nankahery. Teo koa i Mme Josiane vadin'ny Ambassadeur izay isaorana manokana tamin'ny ranomboankazo tena nilaina mihitsy teo antampon'ny samy reraka.

Ny fotoana manaraka dia afaka tapabolana izay hihaonana amin'i Ucraine. Ekipa maozamaozatra ihany kanefa dia hatrehina amim-pahavononana. Forza Ragazzi!

Toa izao ny fandaharam-potoana momba ny Mondialido

CALENDARIO INCONTRI 

1° turno


13.05 15.00 Girone D ITALIA MOLDOVA 3 - 3
13.05 17.00 Girone C SPAGNA SENZA FRONTIERE 2 - 5
13.05 16.00 Girone B CAMEROUN ECUADOR 2 - 0
13.05 18.00 Girone A MADAGASCAR GIAPPONE 2 - 4

 

20.05 15.00 Girone D ETIOPIA SENEGAL  
20.05 17.00 Girone C ALGERIA CAPOVERDE  
20.05 19.00 Girone B BRASILE IRLANDA N.  
20.05 21.00 Girone A POLONIA UCRAINA  

 
 
 

2° turno


25.05 19.00 Girone D ETIOPIA ITALIA  
25.05 21.00 Girone D SENEGAL MOLDOVA  

 

26.05 19.00 Girone C ALGERIA SPAGNA  
26.05 21.00 Girone C CAPOVERDE SENZA FRONTIERE  

 

27.05 15.00 Girone B IRLANDA N. ECUADOR  
27.05 17.00 Girone B CAMEROUN BRASILE  
27.05 19.00 Girone A GIAPPONE POLONIA  
27.05 21.00 Girone A UCRAINA MADAGASCAR  

 
 
 

3° turno


02.06 15.00 Girone A UCRAINA GIAPPONE  
02.06 17.00 Girone A POLONIA MADAGASCAR  
02.06 19.00 Girone B IRLANDA N. CAMEROUN  
02.06 21.00 Girone B ECUADOR BRASILE  

 

03.06 15.00 Girone C SENZA FRONTIERE ALGERIA  
03.06 17.00 Girone C CAPOVERDE SPAGNA  
03.06 19.00 Girone D MOLDOVA ETIOPIA  
03.06 21.00 Girone D ITALIA SENEGAL  

 
 
 
 
 
 
 
 
 

QUARTI DI FINALE   eliminazione diretta con eventuali supplementari (2 X 10’) e calci di rigore


09.06 17.00 Gara e 1^ class. Girone A 2^ class. Girone D  
09.06 19.00 Gara f 1^ class. Girone B 2^ class. Girone C  
10.06 17.00 Gara g 1^ class. Girone C 2^ class. Girone B  
10.06 19.00 Gara h 1^ class. Girone D 2^ class. Girone A  

 
 
 

Semifinali - eliminazione diretta con eventuali supplementari (2 X 10’) e calci di rigore


12.06 20.30 Gara i Vincente gara e Vincente gara f  
13.06 20.30 Gara l Vincente gara g Vincente gara h