You are here

Mompera Pedro notolorana ny mari-pankasitrahana Van Thuan 2008.

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 08/01/2009 - 11:11

Nandritra ny fankalazana ny faha-60 taonan'ny Fanambaràna ny Zon'Olombelona teny amin'ny Vatican no nandraisan'i mompera Pedro ny mari-pankasitrahana "Cardinal Van Thuan 2008, Solidarité et Développement".

Nandritra ny fankalazana ny faha-enimpolo taonan'ny Fanambaràna ny Zon'Olombelona, tamin'ny alarobia 10 desambra teo, teny amin'ny Vatican no nandraisan'i mompera Pedro Pablo Opeka ny mari-pankasitrahana "Cardinal Van Thuan 2008, Solidarité et Développement" noho ny ezaka vitany tamin'ny tetikasa Akamasoa efa roapolo taona izao, izay misahana indrindra ny fanomezana fiainana vanona sy mendrika ireo fianakaviana an'arivony maro niangaran'ny vintana teny amin'ny tobin'Andralanitra.

Nialoha ny fanolorana ny mari-pankasitrahana dia nisy ny famelaberan-kevitra nataon'ny Mpitan-tsoram-panjakana ao amin'ny Vatican, S.E Card. Tarcisio Bertone, sy andriamatoa Juan Somavia, Mpiandraikitra Ambony ao amin'ny ILO, Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa. Nohamafisina hatrany tamin'izany ny tokony hanajana sy hanamafisana ny zo fototra, ny tokony hiarovana hatrany ny zon'olombelona satria raha tsy tokam-po amin'io Fanambaràna tamin'ny taona 1948 io isika, hoy ireo mpandaha-teny, dia mety ho very hanjavona io Zo io, na hafa no ho fandraisana azy na mety ho lavina mihintsy aza izy.

Ny ampitso dia nisy koa ny valan-dresaka nataon'i mompera Pedro izay nokarakarain'ny Fikambanana "Amici di Padre Pedro" ka tamin'izany no  nampahafantarany sy nitafatafana momba ny Toby Akamasoa ao Antananarivo.

Tsara ny mampita etoana ny hafalian'i mompera Pedro tamin'ny nahitany ireo relijiozy sy laika malagasy vitsivitsy nanotrona azy nandritra izao fandalovany teto Roma izao, indrindra ireo teny amin'ny Vatican. Misaotra indrindra hono e !

Ny sary vitsivitsy tamin'izany dia efa azo jerena ao amin'ny tahirintsary sy ato.