You are here

Madagasikara nandritra ny Festa dei Popoli

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 22/05/2007 - 18:26

“Casa lontano da casa”, na “akany lavitra ny akany”, izay no hevi-dehibe nentina nankalazana ny “Festa dei Popoli”, andiany faha-16 tetsy amin’ny tany malalaka manoloana ny Basilikan’i San Giovanni tamin’ny alahady 20 mey teo, nanomboka tamin’ny 9 ora maraina.

Firenena maro no nandray anjara tamin’izany, toa an’i Mexique, Espagne, Brésil, Madagascar, Philippines, Sénégal, Maurice, Nigéria, Paraguay, Ethiopie-Erythrée, Guatemala, Pérou, Pologne, Inde, Ucraine, Bolivie, Roumanie, Ecuador, Cap Vert, … ary ireo fikambanana mpanao asa soa toa ny Lumbelumbeonlus, Insieme, La Città dei ragazzi,...

Tao ireo firenena nampiseho ny tao-zavatra mampalaza azy, ny nampahafantatra mombamomba ny taniny, ireo nisahana ny sakafo mampiavaka azy izay nirary dia nirary tokoa ny vidiny, ary tao ireo nampiseho ny talentany teny ambony sehatra.

Tamin’ny 12 ora no nanomboka ny fotoam-pivavahana tao anatin’ny basilika, notarihin’i Mgr Mauro Parmeggiani, tompon’andraikitra ambony ao amin’ny diosezin’i Roma. Ireo maserantsika avy amin’ny Fikambanana isan-tsokajiny dia nandrindra fihetsika raha nohiraina tamin’ny teny malagasy ny “Voninahitra”.

Raha nandray fitenenena sy nisaotra taorian’ny fotoam-pivavahana moa i mompera Gabriele Parolin, isan’ny lehiben’ireo misionera scalabriniani izay mpikarakara ity hetsika ity, dia nanambara fa ny votoatin-kevitry ny “Festa dei Popoli”, dia tsy hampisehoana fotsiny ireo vakoka akory, fa taratry ny sori-dàlana nosoritan’izy ireo nandritra izay taona maro izay, dia ny hiara-dia amin’ny Fiangonana sy ny Tanànan’i Roma, amin’ireo dingana maro sy lehibe lalovana eo amin’ny lafin’ny fifindra-monina (immigration) : manomboka amin’ny fandraisana ireo mpivahiny mandra-pahatafatombina azy ireo tsara na amin’ny lafiny ara-tsaina, na ara-taratasy na ara-piaraha-monina ; ary ankehitriny raha tafatombina tsara izy ka hatramin’ny fahafahany manana Fikambanana na ara-pivavahana na eo amin’ny fiainana an-davan’andro. Ka izao hitantsika androany izao, hoy izy, dia ezaka hanehoana fa ny “Festa dei Popoli” dia famporisihina ny rehetra handray anjara mavitrika amin’izany ary porofon’ny kolotsaina vaovao izay miha-mahazo vahana.

Ny tolak’andro dia nifandimby teny ambony lampihazo ireo firenena izay niomana tamin’izany ka ny Fikambanana Zanak’i Gasikara no nitondra ny fanevantsika Malagasy tamin’ireo dihim-poko noravahan’ireo fitafiana mampiavaka antsika.

Nofaranana tamin’ny fisarihana ireo lokan’ny tombolà ny fotoana tamin’ny 7 ora hariva ; saingy indro kely hoy ny mpandrafitra : ireo tapakilantsika malagasy dia tsy isan’ny voasarika tao ; ny manetsa be mbola ho avy, fa ny fandraisana anjara no zava-dehibe.

Nahafinaritra tokoa ny tontolo andro niarahana nikorana sy nifaneraserana, na tamintsika samy Malagasy, na tamin’ireo firenena hafa, ka isaorana betsaka tokoa isika rehetra tonga nifanotrona, nifanome-tànana, nifandrimbona tamin’ny sehatra rehetra ka nahatontosana izany fa dia asa vadi-drano tokoa izy iny ka tsy vita tsy nifanakonana ; ny adidy rahateo vita, ny fahafinaretana azo.

Rondro. 

Jereo eto ny tahirintsary