You are here

Lanonana famaranana ny taona miaraka amin'ny mpanakanto Elodie

Nampidirin'i Rondro ny Sun, 27/11/2022 - 15:08

 

Am-pitiavana be no hanasan'ny Fikambanana "Fraternità Malgascia" antsika rehetra hiaraka hanao veloma ny taona 2022 sy handray am-pifaliana ny taona vaovao 2023 miaraka amin'i Elodie, sy Anderson Jaojoby ary Charline Mboty izay efa samy tao amin'ny tarika Jaojoby.

eny amin'ny via Attiglio Begnini, 7 eto Roma (mifanatrika amin'ny Palazzo Terna) 
ny 31 desambra 2022 manomboka amin'ny 9 ora alina (ore 21).

Saram-pidirana : 25 euros. Ny laharana finday hahazoana fanazavana fanampiny dia efa misoratra amin'io peta-drindrina io avokoa.

Ilazao izay tsy mbola nahare dia tongava maro.