You are here

Lamesa fankalazana ny fanandratana an' Frera Rafiringa ho Olontsambatra.

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 19/05/2009 - 22:20

Ho fisaorana ny Tompo amin'ny fanandratana an' i Frera Raphaël Rafiringa ho Olontsambatra dia hisy sorona masina lehibe amin'ny 14 jiona 2009 izay hanasana antsika Malagasy rehetra eto Italia.

Amin'ny alahadin'ny Trinite Masina, ny 7 jiona 2009 no hasandratra ho Olontsambatra any Madagasikara i Frera Louis Raphaël Rafiringa.

Ho antsika eto Italia kosa dia hisy Sorona Masina lehibe ho fankalazana izany eto Roma ny alahady 14 jiona 2009 ka hanasana ny Malagasy rehetra tsy ankanavanaka : pretra, relijiozy lahy sy vavy, laika isan-tsokajiny sy ireo tapaka sy namana hafa antokom-pinoana, na avy eto Roma na avy any ivelany.

Satria ilaina fantatra mialoha ny isan'ny olona ho avy hanomanana ny fiaraha-misakafo aorian'ny lamesa koa iangaviana isika noho izany mba hisoratra anarana :

  • na any amin'ny Ray am-panahy mpiandraikitra ny Ankohonana katolika Victoire Rasoamanarivo, RP Rabenirina Joseph benirinaph@yahoo.fr  

  • na hameno ity takelaka natokana ho an'izany ity : tsindrio eto

Toa izao ny fandaharam-potoana nampitain'i Frera Rodolfo Meoli mikarakara manokana ity andro lehibe ity :

15.00 : fahatongavantsika Malagasy avy ao amin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo sy ireo rehetra te-hijery ny fampisehoana mivelatra momba an'i Frera Rafiringa. Ny lamesa sy ny fampisehoana mivelatra dia hatao ao amin'ny Fikambanan'ny "Frères des Ecoles Chrétiennes", Via Aurelia 476 - Roma.

18.00 : Sorona Masina lehibe hotarihin'i S.E Mgr Angelo Amato, Préfet de la Congrégation pour les Causes des Saints, hotronin'i S.E Mgr Francisco Blasco Collaço sy S.E Mgr Agostino Marchetto izay samy efa Nonces Apostoliques tany Madagasikara.

Manantena ny fahatongavantsika maro amin'izany andro lehibe izany.

Dia araraotina ihany ny mampafantatra ireo izay mbola tsy nahare fa efa misokatra ny vohikala natokana ho an'i Frera Louis Raphaël Rafiringa amin'izao fahasoavana lehibe izao : www.rafiringa.net