You are here

Lamesa: alahady 14 janoary 2007

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 09/01/2007 - 13:04

Ny alahady 14 janoary amin'ny 10 ora dia hisy Lamesa ao amin'ny Chapelle Bellarmino. Ho avy hamangy antsika "Paroasy malagasy" amin'io ny Vikariaton'i Roma koa dia asaina isika mba hanao fanamiana maneho ny maha-malagasy izay manana izany, ary hiaraka handray anjara ihany koa amin’ny fanehoana ny maha malagasy amin'ny litorjia.

Dia faly miarahaba antsika rehetra sy mirary soa tratry ny Noely 2006 teo sy ity Taona Vaovao 2007 natomboka ity; rariana mba hitondra fahombiazana sy herimpo amin'ny atao rehetra.

Manentana antsika rehetra ny alahady 14 janoary amin'ny 10 ora dia hisy Lamesa ao amin'ny Chapelle Bellarmino. Ho avy hamangy antsika "Paroasy malagasy" amin'io ny Vikariaton'i Roma koa dia asaina isika mba hanao fanamiana maneho ny maha-malagasy izay manana izany, ary hiaraka handray anjara ihany koa amin’ny fanehoana ny maha malagasy  amin'ny litorjia.

Amin'io fotoana io koa no hatao ny famindrana andraikitra ofisialy amin'ny ireo mpikambana ao amin’ny biraon'ny Paroasy Victoire Rasoamanarivo Rome vaovao voafidy tamin'ny 26 novambra lasa teo

-  Père Paul Louis no voatendry avy any Madagasikara ary neken'ny CEI ho Aumônier ny Paroasy Victoire Rasoamanarivo (Aumônerie Katolika Malagasy eto Roma)
- Mme Josiane Paraina no lany ho filohan'ny komitim-piangonana
- Fr. Vincent no Filoha lefitra
- Mr Dama no mpitan-tsoratra voalohany
- Sr. Angéline no mpitam-bola
- Manampy ireo birao ireo i Mlle Françoise sy P. Jean-Claude Herménégilde

Dia mirary soa ny rehetra.