You are here

Hevitra Paka 2006

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 19/01/2006 - 08:26

Misy hevitra iray tonga taty aminay. Hampitampitaina ho antsika eto Italia. Mikasika ny fikasana hihaona amin'ny Paska izy ity koa dia samia mieritreritra sy manome soso-kevitra e. Hiaraka foana....

Raha hamaly ity hevitra ity ianao dia tsindrio ny rohy eto ambany
[url]http://malagasy.it/?rub=forum/message&msgid=m43cf4cb310bcf[/url]
Tompoko,

Misy hevitra ny ahy, raha mba azonareo ampitampitaina amin’ny namako any.

Afaka telo volana eo ho eo dia ho avy ny Paka.

Hoy i mompera Jean-Louis teny amin’ny Bellarmino tamin’ny Noely hoe fitenin-drizareo tompon-tany eto ny hoe “Natale coi tuoi e Pasqua con chi voi”. Efa samy tany amin’ny fianakaviana avy isika tamin’ny Noely, maninona re amin’ny Paka raha mba asiana fiarahantsika rehetra indray ? Tsy mba misy “salle d’oeuvre”-ndr’i mompera mba azo hiarahana indray ve amin’izay ?

Izao manko , misy namana izay nanamarika fa matin’ny hanoanana hono isika Malagasy rehefa misy fihaonana toa ireny fa TOA mifandrombaka sakafo. Mino aho fa ny Malagasy matin’ny hanoanana eto Italia mbola tsy nisy, ny sahirankirana tsy lavina. Fa ireny fihetsitsika ireny dia tsy hafatesan-kanoanana akory fa hafaliana tafaray hizara ny manta sy ny masaka, faly mifankahita.

Rehefa novakivakiana ny resaka valin-kevitra ato amin’ity toerana ara-teknolojika ity dia misy maromaro ihany. Misy koa ny fihetsika hita ombieny ombieny rehefa tafahaona isika. Maninona moa raha mba ampitainareo tompon’andraikitra an’ity toerana ity any amin’ireo sokajin-tsika tsirairay avy izay efa mba zatra mikarakara ity hevitra hita ity ? :

Eto anivontsika dia :

* misy ny tompon’andraikitra miahy antsika ao amin’ny masoivohom-pirenentsika dia misy antsika vahoaka iadidian’izy ireo ;
* misy ny katolika dia misy ny protestanta dia misy koa aza tompon’andraikitra “azy mirahavavy katostanta”,
* misy ny relijiozy dia misy ny laika ;
* misy ny Zanak’i Gasikara dia misy ny Fraternità Malgascia ;
* misy ny eto Roma dia misy ny any ivelany ;
* misy ny tia mandihy lantsin-tanana dia misy ny te-handihy tsapika ;
* misy ny mampiakatra vilany ambony latabatra rehefa fety dia misy ny mahatsiaro ho afa-baraka fa eto Italie ihany no misy izany ;
* misy ny te-hanao fety tsy andoavam-bola dia misy ny mba mikarataka manao fety hahazoam-bola ;
* misy ny tia mandihy dia misy ny faly manao mpijery fotsiny ;
* misy ny matahotra tsy ho voky rehefa hamonjy fety “samy mitondra izay zakany” ka mihinana any an-trano aloha vao tonga dia misy miezaka mizaka ny iray maharitrafo ;
* sy ny sisa tsy ho voatanisa avy.

Fa ny mampitovy antsika rehetra dia hoe MALAGASY daholo isika.

Ka asa re raha mba mety ilay hevitra hoe hiaraka amin’ny Paka, satria rehefa nozohina dia faly ny hiaraka ihany isika rehefa vizana amin’ny hazakazaka amin’ny fiainana mandritra ny taona. Dia samy hiezaka fotsiny hanao izay vitany tsy an-teritery sy hanaja ny tsy tian’ny hafa. Dia mino aho fa ho Paka fihavanana ny ho Pakantsika Malagasy eto Italie amin’izay.

Dia amin’izay i “Tsidika” mba curieux be hijery ny boum-mboalavontsika italiana fa ry Tsidika angamba tsy mba ilay génération nanao boum-mboalavo tany Dago toa ny fanaonay teny amin’ny sefreran’Andohalo na teny Ambohijatovo avaratra fahizany miaraka amin’ny rythme-n’ny Disco dia ny “participation : amuse-gueule + boisson”, fa manja anga izany ry Tsidika e !” Aty fotsiny efa akoho saosy sy ravintoto sy ny nem no role…

Sa ahoana ry Akama ? Mba ampitampitao e !

Ilay Tous-Azimuts.