You are here

Hatsangana ho Olontsambatra i Frera Raphael-Louis Rafiringa.

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 11/05/2009 - 21:55

Vaovao mahafaly ho an'ny Fiangonana katolika malagasy ny hananganana ho Olontsambatra amin'ny alahady 7 jiona izao an'i Frera Raphaël-Louis Rafiringa.

Mandritra ny fetin'ny Trinite Masina, ny alahady 7 jiona 2009, no hanaovana ny lamesa fanandratana ho olontsambatra an'i Raphaël-Louis Rafiringa ao Antananarivo.

Izany fanandratana izany, izay navoakan'ny Papa Benoà XVI, dia hotarihan'i Mgr. Angelo Amato, miandraikitra manokana momba ny raharahan'ny fanandratana olomasina ao Vatican.

Nofidiana manokana ny alahadin'ny Trinite Masina satria manana lanja lehibe eo amin'ny fiainan'ny fikambanana Lasalianina izany.