You are here

Hafatra avy amin'ny Ray am-panahy, Joseph Rabenirina

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 19/06/2010 - 10:00

Ho anareo
Malagasy rehetra eto Italia,

Ho
aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy an'Izy Tompo hany
fototry ny
firaisantsika rehetra! Manoloana ny fanambaràna nataon'ny ray aman-dreny
hajaina, avy ao amin'ny Masoivohontsika, dia manainga ny rehetra aho mba
ho
tony sy handinika tsara izay voalazany, fa tsy handray an-tendrony
fotsiny
akory sanatria, na hamadika izany ho toy ny zavatra hafa koa.

Hamafisiko
etoana ny ampahan'izay voalazany ho antsika dia ny mikasika ny
fanatanterahantsika
miaraka ny fetim-pirenena (26 jiona) am-pitiavana sy ao anaty fifanajàna
feno
amin'ny lafiny rehetra, ao anaty firahalahian'ny samy Malagasy ary ao
anatin'ny
Fihavanana, fa "ny omby indray mandry, hono, tsy indray mifoha" ka
aoka hifanentana ny amin'izany teny mamy napetrany ho antsika izany.
Ny tena fitiava-Tanindrazana dia
miseho miharihary
amin'ny fahaiza-mifanaja, satria ny fanajako ny mpiray tanindrazana
amiko dia
fanajako ny Tanindrazako mihitsy izay manana ny soatoavina (valeurs)
mampiavaka
azy manokana amin'ny firenen-kafa.
Ny tena fitiava-Tanindrazana
dia
miezaka manaja ny hafa, ary manao izay tratry ny hery hanalavitra ny
fomba
ratsy "mpilelaka sy mpisolelaka", izay fototry ny fifampirafesana sy
ny fialonana ary ny fifankahalana eo amin'ny samy mpiray Tanindrazana sy
mpiara-monina;
matetika aza moa dia mampiady olona no vokatr'izany ka mampitombo ny
lonilony
sy ny tsy fifankahazoana.
Hararaotina àry ho fandravonana ny
"fihavanantsika Malagasy" aty Italia sy ny manodidina ny
fiaraha-mankalaza ny fetim-pirenena na dia tsapa aza fa marefo
"izany" ankehitriny
. Koa miangavy antsika rehetra aho mba samy
hahatsapa ho tompon'antoka sy
tompon'andraikitra, ny amin'ny filaminana sy fifanajàna ary ny
fahaiza-mifandefitra.

Hitondra
am-bavaka ny Firenentsika isika, mba ho tontosa tsy ho ela ny ezaka
fampihavanana
kasaina sy ilozohan'ireo olona tsara sitra-pò rehetra avy amin'ny
vazatany
efatra. Raisiko ho adidy ny milaza izany aminareo rehetra, amin'ny maha
ray aman-dreny
am-panahy ny tena izay nanankinana anareo aty an-tany lavitra aty. Adidy
apetraka amiko, saingy iantsorohako miaraka aminareo sady iarahako
manatontosa
aminareo rehetra koa izany.

Isaorantsika
manokana ny Ambasadaoro izay mampahatsiahy antsika ny fifanajàna antoky
ny tena
fihavanana, ary ny tsy fisakanany antsika hanao ny fety ao amin'ny
toerana misy
ny Ambasady. Tompon'antoka kosa anefa ny tsirairay ny amin'ny fanarahana
sy
fanajana ny toro-marika nomeny: dia ny mba hahaizantsika mifanaja sy
maneho ny
fifankatiavana tsy misy famahony, mba tsy hanalantsika baraka ny
Firenentsika
aty an-tanin'olona aty.

Tsy ho
"malaza tsy ihinanana toa viliant-sahona" intsony anie ny Fihavanana
tenenintsika matetika sy ny hoby fanaontsika hoe: "Mamy ny firaisan-kina
ikambanantsika izao" ary "Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan'i
Kristy".

Dia izay
koa no itsofako rano anareo rehetra ao amin'ny Tompo eto
am-piandrasantsika ny
rariny sahaza antsika rehetra.

P.
Rabenirina Joseph, sj

Roma, 19 jiona 2010