You are here

Gek Tessaro ho an'ny Malagasy

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 07/11/2012 - 09:58

 

Ha nao fampisehoana etsy Testaccio ho an'ny ankizy malagasy (sy ny lehibe koa) i Gek Tessaro amin'ny 10 novambra izao. Amin'ity taona ity dia "La Città e il Drago" no lohatenin'io fampisehoana ataony io. Araka ny zavatra nisy tamin'ny  herintaona dia faly dia faly tokoa ny ankizy, sy ny lehibe ihany  koa, nanatrika tao koa azo antoka fa hihoatra noho izany amin'ity taona ity. Ny vola azo amin'io fampisehoana io dia halefa tanteraka ho an'ny mpianatra any Madagasikara izay karakarain'ny Tetezana Onlus amin'ny alalan'ny "adoption à distance". Koa manainga antsika Malagasy mba handray anjara mavitrika.
- Ny fotoana dia ny asabotsy 10 novambra 2012 amin'ny 4 ora tolakandro
- Ny toerana dia Via Ginori, 2. Roma (zona Testaccio, efa nanaovana fety taloha iny)... Bus 23 sy 280.
- Ny fandraisana anjara dia 8 Euros (fa tsy lafo)
- Famandrihan-toerana claudia@tetezanaonlus.org
Koa tongava daholo e.