You are here

Fondi d'Africa

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 28/08/2007 - 14:39

Ny fikambanana Tetezana onlus dia handray anjara amin'ny fety "Fondi d'Africa”, ny 30 sy 31 Aogositra ary ny 1 sy 2 Septambra, ao amin'ny Castello Baronale ao Fondi.

Ny fikambanana Tetezana onlus dia handray anjara amin'ny fety andiany voalohany karakarain'ny comune ny Fondi izay mitondra ny anarana hoe: “Fondi d'Africa”, ny 30 sy 31 Aogositra ary ny 1 sy 2 Septambra, ao amin'ny Castello Baronale ao Fondi. Izany dia eo ambany fiadidian'ny "Provincia di Latina", ary hiarahana amin'ny "Association Baobab". Firenena afrikana efatra no handray anjara amin'izany dia i Madagasikara, Nigeria, Etiopia ary Afrika avaratra.

Araka ny fandaharana dia hisy ny fifanakalozan-kevitra samihafa ary koa ny fahampahafantarana ireo firenena ireo. Hisy koa anefa ny fampisehoana ny tao-zavatra mampiavaka ny firenena tsirairay avy ka tsy ho diso anjara amin'izany ireo asa-tànana malagasy. Ao ihany koa ny fampisehoana ny nahandro isam-pirenena ka ny anjarantsika malagasy dia ny Sabotsy 1 septambra hariva .

Manomboka amin'ny 3 ora tolakandro ny fisokafan'ny stand sy ny Piazza, ary mifarana any amin'ny misasakalina any ho any. Ny sakafo kosa dia hanomboka @ 7 hatramin'ny 9 ora alina eo ho eo.

Izao no natao dia mba entina hampahafantarana ny firenena rehetra mandray anjara toa an'i Madagasikara, sy ireo fikambanana toy ny "Tetezana onlus" izay manao asa soa amin'ny firenena niaviany, indrindra indrindra entina hanampiana amin'ireo vinavinan'asa maro sahaniny.

Koa manasa antsika Malagasy rehetra eto Roma sy avy any ivelany hanotrona sy handray anjara araka izay azo atao, ary hifampilaza amin'ny olona manodidina antsika.

Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka miantso Mme Andry: 3471432921

Misaotra