You are here

Fitsidihan'ny Ambasadaoro tany Firenze.

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 22/06/2008 - 09:53

Nandritra ny fitsidihana nataon'ny Lehiben'ny masoivoho malagasy tany Firenze no nihaonany tamin'ny Filohan'ny mpanolontsainam-paritra, Massimo Mattei, sy ny ho Consul Honoraire ho an'i Toscana, Antonio Lacroce.

Nandritra ny fitsidihana nataon'ny Lehiben'ny masoivoho malagasy tany Firenze no nihaonany sy nitafatafany tamin'ny Filohan'ny Mpanolontsainam-paritra, Massimo Mattei, sy ny ho Consul Honoraire ho an'ny faritr'i Toscana, Antonio Lacroce.

Nasongadin'andriamatoa Mattei tamin'izany fa miisa 3.500 eo ho eo ny teratany malagasy monina any amin'io faritra io ary efa tafatoetra ara-dalàna avokoa izy ireo. "Ny fihaonana toa izao, hoy izy, no hanombohana fiaraha-miasa matotra, ary ny Faritr'i Toscana rahateo dia efa manana fifandraisana iraisampirenena amin'ny alalan'ny fanakambanana (jumellage) manaraka ny zavamisy marina ao amin'ny fivondronana sy ny faritany ary ny firenena any ivelany. Madagasikara dia firenena misondrotra ka izahay koa dia vonona hiara-miasa aminy amin'izay fomba rehetra mahamety izany".

Tamin'izany no nanambaran'ny andriamatoa Jean Pierre Razafy-Andriamihaingo ny hevi-dehibe hoe : "Miara-misalahy ho an'ny teti-piarahamiasa iraisam-pirenena", izay antenaina fa hahabe voho ny fifankatiavana.

 

Ny Filoha Mattei sy Andriamatoa ambasadaoro

Loharanom-baovao sy sary : News dalle Pubbliche Amministrazioni della Provincia di Firenze