You are here

Fitsangatsanganana 1er Avril 2013

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 26/03/2013 - 14:31

Fampatsiahivana ho an'izay tsy mbola naheno fa hisy ny fitsangatsanganana iarahan'ny Malagasy rehetra amin'ny alatsinain'ny Paka (1er avril) ho avy izao.

Ny toerana dia eny Montecassino, Parrocchia S. Pietro Apostolo, via Gaetano di Biasino 226. Jereo eto: http://goo.gl/maps/HwUBR 

Ny momba ny fiara hitatitra izay andoavana 15 euro dia efa nifarana ela ny fisoratana anarana kanefa afaka manandrana miantso an'i Rado na Carole ihany sao dia mbola misy toerana 

- Rado : 3208890508  mail : ratsimananda@yahoo.fr

- Carole : 3774669649  mail: velonoro02@yahoo.fr

Ny fotoana iaingan'ny fiarabe dia etsy amin'ny piazzale Ostiense toy ny isan-taona ihany amin'ny 8 ora maraina.

Samy  mivatsy ny sakafo, zava-pisotro ary ny kenonkenona rehetra momba izany mazava ho azy.

Misy kianja filalaovana basket, volley, foot io toerana io, azo hitonoana hena ihany koa ary misy efitrano lehibe azontsika handihizana raha tsy afaka handihy an-tokotany toy ny tamin'ny herintaona isika raha sanatria avy ny orana fa ny dj efa vonona.

Mba ampitampitao ity hafatra ity azafady ho an'izay tsy mba mandray mail, dia mirary fiomanana ara-panahy hiatrehana ny Paka hoantsika rehetra

 

Visualizzazione ingrandita della mappa