You are here

Fisaorana tamin'i P. Hermann

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 23/10/2006 - 16:29

Isaorantsika an'Andriamanitra fa mitombo hatrany ny "docteurs" ao amin'ny Fiangonana. Koa indro ary ny fisaorana antsika rehetra tsy ankanavaka avy amin'i R P. Hermann, tamin'ny fanohantsika azy am-bavaka sy ny fahatongavana maro naneho ny fiombonana.
Mametraka ny samy tsara indray. Sr. Brigith

Roma ny 23 oktobra 2006

           

Ho an’ny Malagasy rehetra,

 

Izaho Mompera Hermann RAMANANTOANINA sy ny ankohonampiainan-drelijiozy misy ahy eto Morena (Grottaferrata – Rome) dia faly sy tretrika tokoa tamin’izay vitanareo tamin’ny 16 oktobra lasa teo, fotoana izay nanehoako ny fikarohana ary koa namaranako ny fianarana izay nataoko teto Rome. Talanjona tokoa ireo namana hafa nahita ny firaisankinantsika mianakavy. Miala tsiny raha izao vao tonga ity fisaorana ity satria mba anisan’ireo nandray anjara tamin’ny fihaonambe tany Verona ihany koa ny havanareo nandritry iny herinandro lasa iny ka tsy afa-nanoatra.

 

Koa dia fisaorana feno fankasitrahana no atolotra antsika rehetra. Ireo tsy tonga nohon’ny antony samihafa moa dia tsy homen-tsiny fa dia isaorana tamin’ny fahatsiarovana sy ny fanohanana am-bavaka. Ireo maro tonga, solontenan’ny betsaka kosa dia hankasitrahana tokoa satria fankaherezana tsy misy toy izany ho ahy ny fijoroantsika mianakavy. Tsy hoavahina tahaky ny ketsa ny fisaorana nefa tsy mety ny tena raha tsy hanipika manokana ireto manaraka ireto.

Tolorana fisaorana feno ry zareo avy ao amin’ny Ambasady tarihin’i Monsieur l’Ambassadeur mivady, vovonana mampivondrona antsika aty lavitra aty.

Toraka izany koa ireo mpiara-mivavaka katolika eto Rome tarihin’i Rev. Père Paul Louis.

Ianareo rahalahy sy anabavy, Pretra sy Relijiozy, mpiara-dia akaiky ao amin’i Kristy.

Ary ianareo namako rehetra izay tsy nahalala sasatra tamin’iny tolakandro iny fa nijoro namporisika ary nandray anjara mavitrika.

 

Samy mahalala ny vokatra azo isika ka hiaraka hiredona ny hoe:

“Ho voninahitr’Andriamanitra anie ny asantsika rehetra. Aleloia!”

 

Tsotra loatra ny teny hoe “misaotra” fa Andriamanitra Mahefa sy Mahalala ny zavatra rehetra anie hitsodrano ary koa hamaly soa anareo tsirairay avy. Mankasitraka e!

P. Hermann sy ireo Mompera Karma eto Morena (Rome).


N.B.: Izay mba naka sary tamin’iny fotoana manan-danja loatra iny dia mba hiangaviana raha toa ka tsy hanahirana be loatra mba handefa azy amin’ny mailaka amin’ity adiresy manaraka ity: rahery@yahoo.com (na koa rahermann22@yahoo.fr). Dia mametraka ny fisaorana mialoha ny havanareo e!