You are here

FISAORANA SY FANKASITRAHANA.

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 05/07/2008 - 22:13

Vaovao mahafaly ho an'ireo Samaritana tsara fanahy nandray anjara tamin'ny fanampiana ilay zaza nanana takaitra hatrany an-kibon-dreniny tany Mahajanga.

I Jean sy Bako RAZAFINDAMBO, izay zoky ray aman-dreny niara-dàlana taminay hatrany am-boalohany, no indraminay hanantitra ny fisaorana sy fankatelemana anareo rehetra namaly ny antso avo nataonay teto tamin'ny 23 mey 2008, na tamin'ny vola aman-karena natolotrareo, na tamin'ny vavaka nitrotronareo an'i Kamba, na tamin'ny iray minitra isan'andro nahatsiarovanareo sy nirarianareo soa ho azy.

Mitombo fahasalamana tokoa izy ao, araka ny vaovao voaray isan'andro. Mahavelom-bolo ny firaisan-kina nasehon'ny rehetra, na ireo namana tsy mifankahalala afa-tsy eto amin'ny tontolo virtoaly, na ireo nifankahalala noho ny fitiavana an'i Kamba, ary ireo nahafoy fotoana, vola sy harena, namangy, niantso an-taribihy, nitondra vatsy hatrany ary nankahery azy mianakavy kely nanomboka ny andro voalohany nahatongavan'izy ireo tao Antananarivo ka hatramin'izao hakatoky ny hodian'izy ireo any Mahajanga izao.

Fisaorana manokana ho an'i Diana, izay nasesiky ny vintana tokoa hifanena amin'i Kamba sy ny reniny, fa nahatana ny toky nomeny izy dia ny hanao izay fara-heriny hitady vaha-olana hitsaboana ilay zaza.

 

Fisaorana lehibe ho an'i Prof. Clément Andriamamonjy sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky ao amin'ny sampana "Neuro-chirurgie" ao amin'ny Hopitaly Joseph Ravoahangy-Andrianavalona ao Ampefiloha, Antananarivo, tamin'ny nanatontosan'izy ireo tam-pitiavana sy fanetren-tena ny adidy lehibe nankinina tamin'izy ireo.

Ny renin'i Kamba sy ny fianakaviana moa dia nindrana an'i Jean sy Bako hisaotra anareo rehetra amin'izay vitanareo, ka azonareo jerena ao amin'ny pejy amin'ny teny frantsay na amin'ny teny italiana izany fisaorana izany.

Misaotra, mankasitraka, mankatelina.

Andry, Rondro ary Hery,

mpikarakara ny vohikala "Malagasy eto Italia".