You are here

Fisaorana avy amin'ny Fikambanana Malagasy Miray

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 11/07/2012 - 18:59

Tompokolahy sy Tompokovavy,
Voalohany indrindra dia mamerina ny Fiharabahana antsika rehetra tsy ankanavaka,

na ny lahy na ny vavy,
Tsy zokiny akory fa zandry, 
ary tsy ray aman-dreny fa zanaka,
manaja anareo rehetra zoky,ray aman-dreny,
anabavy sy reny  ary ireo zandry malala tsy hadinoina.
Manarak'izany dia miala tsiny raha hiteny na manoratra izao teny fohy zao.
Ny tsiny hono zava-mahery ka raha babena maha-fola-damosina,
hiambozonana mahavaky tratra, ary lolohavina mahasola loha.
Ka aleo hialana lavitra raha azo atao.
Raha diso ny teniko dia aza ny teneko no hariana,  fa ny teny diso izay tsy mba kabary.  
Eny ary.....setrasetra tsy haritra daholo io rehetra io fa aleo hidirana ny votoatiny.

Fisaorana sy fankasitrana lehibe tompoko no atolotra anareo rehetra izay nandray anjara, na ireo tsy afaka nanatrika noho ny antony maro samihafa   tamin'ny Fety malagasy izay nantsoina hoe:"GIORNATA del MADAGASCAR  2012"  natao ny 7 jolay 2012 tao amin'ny CORSO DANTE 14, Torino.
Tena afa-po tokoa ny tenanay sy ny Birao, ny fikambanana MA-MI na Malagasy Miray eto Torino.
Misaotra betsaka tamin'ny Fiaraha-miasa: Ireo malagasy tia Tanindrazana,ny mpikambana rehetra, ireo mpanao soa na mpanampy an'i Madagasikara na ara-pahasalamana, na ara-sosialy, sns ; ary ao koa ireo Tia an'ny Madagasikara tsotra izao (appassionati del Madagascar).
Tontosa soa aman-tsara ny fety ary tsara ny fiarahana na ny fihaonana ka Mankasitraka re Tompoko ary mankatelina, enga anie mba maromaro ny tahaka izao ary hitohy hatrany ny Fifankatiavantsika sy ho mafy ny FIHAVANANA malagasy.
" Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy"
Izay mitambatra Vato ary izay misaraka fasika ary ny Firaisan-kina no hery.

Matoky hatrany ny Fiaraha-miasa ary mbola maro no azo atao.
Mankasitraka re tompoko o, ary mankatelina.
Dia mbola mamerina ny firariantsoa antsika rehetra.
Veloma mandram-pihaona, Andriamanitry ny avo indrindra anie homba antsika rehetra ary ny tsiron'ny tany sy ny andon'ny lanitra anie hirotsaka amintsika.
Dia Veloma finaritra ry havana rehetra.

                          Jn alfred sy ny Birao 
     ary ireo mpikambana ao amin'ny MALAGASY  MIRAY TORINO.

Torino 179