You are here

Fisaorana avy amin'i Jean Britto ANDRIANTOVOHERINDRAINY

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 24/08/2010 - 21:22

 

ANDRIANTOVOHERINDRAINY Jean Britto,

vady navelan’i Agnès RAHELIARINIVO (Nivo)

(Jereo ato)

dia
manolotra fisaorana sy fankatelemana feno anareo rehetra nidodododo niray fo
taminy, nanotrona, nankahery, nampionona tamin’izao fahoriana izao.

Misaotra ireo izay nanome tànana azy hatrany tamin’ny fikarakarana
sy ny fitsaboana an-dratompokovavy fony narary izy,

Misaotra ireo izay niantso, nandefa hafatra, nahatsiaro sy
nitondra am-bavaka tamin’ny fotoana nahalasanany,

Misaotra ireo solontenan’ny  Ankohonona Victoire Rasoamanarivo notarihin’ny Aumônier izay nidina tany Naples sy ireo namana
tao Naples sy ny manodidina  ihany  koa, tonga niondrika  sy niara-niombom-bavaka tamin’ny lamesa fanaovam-beloma
farany azy ny asabotsy 21 aogositra teo,

Misaotra ireo tompon’andraikitra ao amin’ny
masoivohom-pirenena malagasy izay nanafaingana ny taratasy rehetra nilaina
amin’ny fampodiana ny razana any an-tanindrazana, ka hahafahan’izy ireo manainga
amin’ny zoma 27 aogositra ho avy izao.

Mankasitraka hono tompoko, fa tsy irery izy tamin’izao andro
manjombona izao. Ny varavarana nivoahana tokoa no azy fa ny fahoriana dia
niarahanareo nizaka taminy.

Andriamanitry ny Fitiavana sy ny Fiadanana hono anie
homba anareo rehetra ary hamaly ny soa vitanareo.

P1060021