You are here

Fisaorana avy amin''i fikambanana OMI

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 07/01/2009 - 08:02

Izahay mirahalahy Fr. Rossina sy Elysé dia maneho etoana ny fisaorana mitafotafo aminareo kristiana tsy vaky volo ao amin'ny Paroasy Victoire Rasoamanarivo, sy ianareo Malagasy

Izahay mirahalahy Fr. Rossina sy Elysé dia maneho etoana ny fisaorana mitafotafo aminareo kristiana tsy vaky volo ao amin'ny Paroasy Victoire Rasoamanarivo, sy ianareo Malagasy havana sy tapaka izay tonga tsy nahalavi-tany noho ny fitiavana: tonga nidodododo nanotrona anay mirahalahy androany izay nanoloranay tena mandrakizay ho azy Tompo.

Misaotra tam vavaka nataonareo fa nihatra tamin'ny fiainanay tokoa. Hivavaka ho anareo koa izahay na dia mbola lavitra aza ny dianay. Misaotra mankasitraka mankatelina.

Fr.Rossina sy Fr.Elysé OMI