You are here

Filazana manjo : nodimandry i dada Manoelina Ratsimananda.

Nampidirin'i Rondro ny Wed, 28/08/2019 - 09:09

​Laroim-bahona indray ny fiarahamonintsika zanaka am-pielezana atý Italia fa nandao antsika tampoka tamin'ny alahady 25 aogositra teo i dada Manoelina RATSIMANANDA, rain'i Rado sy Hery ary Mahefa.

Ny fianakaviana eto Roma dia manolotra fisaorana anareo rehetra niantso sy tonga nidodododo niombona alahelo ary nankahery azy ireo vao nahare ny fahalasanany.

Ny fiondrehana farany eo aminy sy ny fotoam-bavaka iarahantsika manolotra ho fialan-tsasatry ny fanahiny dia hatao rahampitso alakamisy 29 aogositra 2019 amin'ny 7 ora hariva ao amin'ny via Libero Tubino 2, Ciampino (ao amin-dr'i Mahefa) satria ny zoma maraina no hiala ao an-trano ka hoentina eny amin'ny seranam-piaramanidina ny nofo mangatsiakany hiandry ny fiaingany hody any an-tanindrazana.

Mirary fiononana feno sy mankahery indrindra an'i neny Noëline, vady navelany, sy izy telo mirahalahy zanany, ireo zafikeliny ary ny fianakaviana manontolo. Ho maivana ny dian'i dada hamonjy iny habakabaka iny.

Ity no sary ahatsiarovantsika azy sy ny tsikitsikiny sy ny hirahira niarahana taminy tao amin'ny foiben'ny masoivoho nandritra ilay korana ho fisaorana an'i zoky Dama mivady tamin'ny 10 aogositra lasa teo.