You are here

Filazana manjo.

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 29/04/2010 - 09:06

Mamangy anareo ao amin'ny Tompo! Ho aminareo anie ny Fiadanany!
Ampandrenesina
isika Malagasy sy namana ary havana rehetra ao amin'ny Tompo eto Italia
fa nodimandry halina teto Roma, teo am-pandidiana azy i P. Hajatiana

Rolland, ocd
na Karma, 36 taona, pretra tamin'ny taona 2003. Avy any
Arivonimamo ny fiaviany.
Mianatra Baiboly ary efa 3 taona eto izy
izao, ary mitana
andraikitra ao amin'ny Paroasy Santa Teresa, Corso Italia dia izao
nindaosin'ny fahafatesana izao ka hody any amin'Ilay Nanao antsika.
Tokony
efa hamarana amin'ity taona ity ny Maitrise ataony ny tenany.
Mirary
faherezana ho an'ny rehetra, indrindra ireo rahalahy Karma manontolo.

Mbola
miandry ny fandaminana rehetra sy ny programa
.Hatokantsika ho azy ny Sorona Masina amin'ny
alahady 02 may ho avy izao
,amin'ny
10 ora tsy diso, eto amin'ny via del Seminario, 120
.

http://www.victoire-rasoamanarivo.it/forum/message/m4bd93fb4be81a  )

Veloma
vetivety ao amin'ny Tompo!

P. Benirina, sj

(fony izy nampisalotra ny akanjo maha-diakra azy an'i Fr Sandy - taona 2008)