You are here

Filazana manjò : Nodimandry i Bébert

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 12/03/2012 - 10:03

Tamim-pahatairana tokoa no nandraisana ny vaovao nalefan'ny namana avy tany an-tanindrazana ny sabotsy maraina teo fa nody any amin'ny mandrakizay i Philibert, na haintsika rehetra amin'ny solon'anarana hoe Bébert, izay efa niandraikitra ela ihany ny asa maha-mpamily azy tao amin'ny Masoivohompirenentsika eto Roma,

Miara-miondrika amin'ny fianakaviany manontolo izahay mpiandraikitra ity vohikala ity.

Maro ny zavatra nosahanina sy niarahana taminy teto Roma na tamin'ny adidy aman'andraikitra izany na tamin'ny ireo fety sy fihaonana isan-karazany, ary tamin'ny andro manjombona ho an'ny tsirairay ihany koa aza. Tsy ho hadino ireo hehy sy vazivazy rehetra nandravaka izany fotoana izany.

Veloma Bébert, efa mianoka any amin'ny tontolon'ny mandrakizay ianao izao koa mandria am-piadanana !!!

 

(vaoa izao alatsinainy maraina izao moa vao voarainay ny ity fampandrenesana an-taratasy ity ka ialana tsiny ny fahatarana amin'ny fampitàna ny vaovao)

 

100_3051