You are here

Fihaonan'ny Malagasy teto Roma tamin'ny Praiminisitra

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 09/09/2005 - 09:13

Adin'ny roa mahery no nihaonan'ny Praiminisitra Jacques Sylla tamin'ny solontenan'ny Malagasy teto Italia tamin'ny 8 septambra teo. Fanazavana ny toe-draharaha misy any Madagasikara sy firindran'ny fitondrana amin'izao fotoana izao no votoatin-dresaka. Narahan'ny famaliana ireo fanontaniana vitsivitsy napetrak'ireo izay nanatrika.
Amin'ny ankapobeny, taorian'ny antondiany taty Italia dia fampitoniana an'ireo Diaspora no tena nataon'ny Praiminisitra. Betsaka tokoa mantsy ny ahiahy momba ny tsy fandehan'ny raharaha rehetra any Madagasikara. Misy ireo mikaikaika noho ny fahantrana. Toa tsy mitsaha-miakatra ny vidim-piainana kanefa ny fahefa-mividy tsy mitombo. Re siosio sy hita amin'ny alalan'ny gazety ny fahantran'ny vahoaka.
Tsy nandà ny praiminisitra fa maro tokoa ny Malagasy sahirana. Tsy azo odiantsy hita fa misy tokoa ny tsikera momba izany. Kanefa dia nolazainy fa manana ny laharam-pahamehana izay nifametrahany tamin'ny vahoaka ny fitondrana. Ny safidy norasina dia ny fampandrosoana lavitr'ezaka. Nifanekena tamin'ny vahoaka ny hanamboarana ny làlana eran'i Madagasikara. Tsy maintsy misy fiantraikany anefa izany safidy izany. Izany akory tsy milaza fa miraviravy tanana ny fanjakana manoloana ireo izay ianjadian'ny vokatr'izany safidy izany fa efa manao izay mety.
[img]http://static.flickr.com/26/41661624_dced57b213_m.jpg[/img]
Momba ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin'i Madagasikara sy Italia, indrindra momba ny famerenana ny Masoivoho italiana any Madagasikara, dia nilaza ny praiminisitra fa tsy miankina intsony amin'ny fanjakana malagasy izany fa miankina tanteraka amin'ny Italiana. Ary efa miroso tsikelikely amin'izany ry zareo Italiana amin'izao fotoana izao.
Ny fanontaniana izay nanodidina ny solika moa, toa ny fiakaran'ny vidintsolika tsy voafehy, ny fahatapahan-jiro sy ny fitsinjarana ny herin'aratra dia nilaza ny Praiminisitra fa efa nihataka tamin'ny fitantanana ny solika ny fanjakana. Ka anisan'ny tompon'andraikitra amin'ny zavatra mitranga ireo mpitantana izany. Tsy miraviravy tanana ihany koa anefa ny fanjakana manoloana ny fisehoan-javatra mety ho tafahoatra loatra.
Ahoana ny momba ireo gadra politika? Tsy misy gadra politika any Madagasikara hoy ny Praiminisitra. Ny olona nosamborina sy nogadraina dia vokatry ny asa ratsy nataony tamin'ny fiaraha-monina na tamin'ny firenena. Mazava ho azy koa anefa fa manana ny fahefana malalaka tsy mifangaro amin'ny fahefana mpanatanteraka ny fitsaràna ka anjarany ny manameloka na ny mamotsotra izay nanao na tsy nanao ratsy.
Momba ireo mpanao investissement any Madagasikara dia velom-panantenana amin'ny fivoarana misy ny praiminisitra. Betsaka sy miha-mitombo tokoa ny mpandraharaha manatona sy matoky ny fitondram-panjakana. Ny tena zava-dehibe anefa dia ny fahaizana miara-miasa amin'izy ireny mba hamokatra ho an'ny firenena tokoa. Ho an'ny eto Italia manokana dia ny resaka fizahan-tany no ilofosany hifaneraserana amin'i Madagasikara.
Ny fanontaniana hafa momba ny mety ho azon'ny mpila ravin'ahitra hatao rehefa tafaverina any Madagasikara dia novalian'ny Piraiminisitra tamin'ny hoe aza mody mitondra tanam-polo. Solotenan'ny Malagasy amin'ny lafiny rehetra ny Diaspora, afaka mianatra ireo izay fombam-pitantanana sy fivoaran'ny firenena hafa.
Mbola betsaka ireo fanontaniana izay saika napetraka tamin'ny praiminisitra, indrindra ireo fanontaniana izay nitranga teto amin'ity takelaka ity saingy voafetra ihany ny fotoana nametrahana ny fanontaniana koa ialana tsiny amin'izay nanantena valiny mahafa-po.

Jereo etsy amin'ny tahirintsary ny sary vitsivitsy nalaina tamin'izany fihaonana izany.