You are here

Fifidianana ny Miss Diaspora Malagasy eto Italie 2023

Nampidirin'i Rondro ny Mon, 19/09/2022 - 09:59

 

Sambany tokoa isika eto Italie vao nandray anjara tamin'itony Fifidianana izay Ampelasoa zanak'i Madagasikara atý am-pielezana itony, hetsika izay karakarain'ny "Association Dera France". Tamin'ny asabotsy 17 septambra teo no nanatontosana izany, ary narahana fampisehoana nataon'io Big MJ.

Andriambavilanitra 5 no nandray anjara ka i Éléonore Gadini no nandrombaka ny satro-boninahitra sy handeha hisolo tena ireo ampelasoantsika any amin'ny dingana rehetra manaraka.

Koa am-pifaliana no iarahabana azy ary mirary soa ho azy satria tsy hoe fifaninanana amin'ny hatsaran-tarehy sy bika fotsiny moa izy ity fa misy adidy koa iandraiketana rehefa tonga amin'io toerana io. 

#alefaÉléonore !

[Sary vitsivitsy ato amin'ny TAHIRINTSARY.]