You are here

Fiarahabana tratry ny taona 2007

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 24/01/2007 - 14:56

Alahady 28 Janoary 2007, fifampiharahabana tratry ny taona 2007 hiarahan'ny malagasy rehetra eo ambany fitarihan'ny Ambasadaoro Paraina August mivady.

 Faly miarahaba ny Malagasy rehetra,

 Noho izao fahatongavan'ny taona vaovao izao dia hiaraka hifaly indray isika rehetra, ka ny Alahady 28 Janoary 2007 dia hanao ny fifampiharahabana tratry ny taona 2007 hiarahan'ny malagasy rehetra eo ambany fitarihan'ny Ambasadaoro Paraina August mivady.

Izany dia ho hatomboka amin'ny fiarahana midera an'Andriamanitra amin'ny 10 ora maraina. Ary ao aorian'ny lamesa dia hisy ny fiarahana misakafo, koa toy ny mahazatra dia asaina ny rehetra mba samy hitondra sakafo sy zava-pisotro.

Ny toerana dia ao amin'ny Madonna del Cenacolo, ary ny fidirana dia ao amin'ny Via Vicenzo Ambrosio, 9.

Dia mirary antsika ho tonga maro.