You are here

Fialantsiny : tsy raikitra ny fihaonana amin'ny Filoha.

Nampidirin'i superadmin ny Thu, 05/06/2008 - 08:56

Izahay mpiandraikitra ny vohikala dia miala tsiny noho ny tsy nahafahanay nampahafantatra ara-potoana fa tsy raikitra ny fihaonana amin'ny Filoha Ravalomanana.

Ialana tsiny aminareo Malagasy eto Italia – izay nanoratra sy niantso anay momba ny fihaonana amin’ny Filoha – fa noho izahay mpampita hafatra fotsiny dia tsy afaka nampahafantatra anareo ara-potoana fa tsy ho raikitra indray io fihaonana io.

Izahay rahateo nihevitra fa ny vaovao rehetra momba ny Filoha dia tokony ho rantovina ao amin’ny vohikalan’ny Amba-Mad ka tsy dia nitsabaka loatra tamin'ny raharahan-tokantranon’ny Masoivoho izahay fa dia niandry vaovao toa ny sarababem-bahoaka. Ka izao anio alarobia alina izao vao niantso sy nanontany fanamafisana tamin'ny tompon’andraikitry ny Paroasy rehefa naharay ity fampandrenesana ity :

---------- Forwarded message ----------
From: <info@rasoamanarivo-roma.it>
Date: Tue, Jun 3, 2008 at 10:10 PM
Subject: Tsy afaka ny filoha
To: seraseraIT-proprietaire@yahoogroupes.fr

Tsy misy indray ilay fihaonana amin'ny filoham-pirenena noho izy tsy maintsy hamonjy fivoriana maika any dago ny 05 juin 2008.
Manao mandra-pihaona amintsika rehetra.

 

Koa dia mamerina ny fialan-tsiny ary mirary soa ho an'ny tsirairay.

President Marc Ravalomana at FAO Summit in Rome

 

© Présidence de Madagascar / R. Voara