You are here

Fetin'ny faran'ny taona any Napoli.

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 14/12/2011 - 15:24

Am-pifaliana no hanasana anareo amin'ny korana hanaovana veloma ny taona 2011 hiarahan'ny fianakaviana rehetra sy ny havana aman-tsakaiza eto Napoli ny alin'ny sabotsy 31 desambra 2011 ka hatramin'ny alahady  1 janoary 2012 antoandro.

Izany dia ho tontosaina ao amin'ny Via Fontanelle al Trivio 20 ( Corso Malta) NAPOLI.

Hisy fandraisana anjara 10 euros isam-pianakaviana

Marihina amin'izany fa misy fiara hitatitra hoan' ireo zay avy lavitra eo amin'ny STAZIONE NAPOLI CENTRALE manomboka amin'ny 8 ora hariva.

Ho anareo reny koa dia lazaina manokana fa milamina ny hatorian'ny ankizy sy ny fanafanana trano ho azy ireo.

Koa dia mirary ny Malagasy rehetra aty an-tany lavitra aty mba hanao fety sambatra daholo na aiza na na aiza

Ampitampitao ny vaovao dia manantena ny hifankahita soa daholo amin'io andro io.

 

Fanazavana fanampiny sy fampilazana fahatongavana raha azo atao: tel  081/8780048 na 3333739918

na manoratà mivantana amin'i :  haingotiana@libero.it 


napoli