You are here

Festa dei Popoli, andiany faha-19

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 08/05/2010 - 19:32

Tonga amin'ny andiany faha-19 izao ny "Festa dei Popoli" izay nomena
ny lohahevitra hoe "Roma, una tenda per l'incontro". Efa
efa-taona izao no nandraisan'i Madagasikara anjara amin'izany amin'ny alalan'ny Ankohonana katolika.

Dia eo
ambany alokaloky ny bazilika San Giovanni in Laterano indray izany isika
mianakavy ny alahady 16 mey 2010 izao no hifamotoana amin'ireo vahoaka
marobe avy amin'ny vazan-tany efatra hankalaza ity andiany 2010 ity.

Toa
izao ny fandaharam- potoana :

- Sivy  ora (09h) ny fanokafana: toy
ny fitsidihana ny stand, ny kilalao maro isan-karazany sy ny
fifanakalozan-kevitra isan-karazany.
- Amin'ny roa ambin'ny folo ora (12h) ny
fanombohan'ny lamesa ao @ Basilika S. Giovanni in Laterano, ka
iangaviana
isika mba ho tonga antsasak'adiny mialoha.
- Amin'ny iray ora (13h), fanandramana
ireo karazan-tsakafo nentin-drazan'ny firenena izay mandray anjara
@'izany.
- Amin'ny telo ora (15h), manomboka ny
fampisehoana ireo vakoka izay maha-izy ny firenena tsirairay avy.
- Amin'ny enina hariva (18h) fisarihana
ny loteria miaraka.
 
Ireo ny fandaharana handraisan-tsika anjara dia:
- Ny stand, i Mr Rado no
tompon'andraikitra
- Hira "Fiadanana" mandritry ny
lamesa, i P.Nicolas no tompon'andraikitra
- Dihy malagasy ny hariva izay
hiandraiketan'i Mr. Deszo
Tongava maro ary mifampilazà