You are here

Fanolorantena mandrakizay nataon'izy mirahalahy ao amin'ny Fikambanan-drelijiozy OMI.

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 07/01/2009 - 09:37

Nandritra ny fetin'ny Epifania no nanaovan'i Frera Jean Rossina Rakotomalala sy Elysé Rahanirina ny Fanolorantena mandrakizay niaraka tamin'ireo frera 6 mpiray fikambanana amin'izy ireo.

Nandritra ny fetin'ny Epifania omaly no nanaovan'i Frera Jean Rossina Rakotomalala sy i Frera Elysé Rahanirina, ao amin'ny fikambanan-drelijiozy Missionaire Oblates de Marie Immaculée, ny Fanolorantena mandrakizay niaraka tamin'ireo frera 6 mpiray fikambanana amin'izy ireo.

Tamin'ny fotoanan'ny lamesa lehibe nanaovan' izany no nanomezana azy ireo ny Mariky ny Fanolorantenany :

- ny Lakroa,

- ny Medalin'i Maria Imakolea

- ary ny Lalàna sy Didy mifehy ny Fikambanana.

Tamin'ny lamesa koa dia nohiraina tamin'ny teny malagasy ny "Masina masina".

Rehefa izany dia nisy sakafom-pianakaviana niarahana tamin'ireo havana, tapaka sy namana tonga nanotrona azy ireo. Isika Malagasy moa dia maro no tonga na ny relijiozy na ny laika, ka isaorana eram-po eran-tsaina fa mariky ny Fihavanana sarobidy amintsika Malagasy izany.
Ny tolakandro dia nisy korana niarahana ka nampahafantarana tamin'ny horontsary fohy ny mombamomba ny Fikambanana sy ny momba azy 8 miralahaly nahaefa ny voady farany ; niarahana ihany koa nitotorebika ka isan'ny nandray anjara koa isika Malagasy.

Izy mirahalahy moa dia efa nisaotra ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo sy ireo rehetra tonga tao raha nanolotra ny tsodrano ho azy ireo ny Paroasy talohan'ny nisarahana, ary mampita izany fisaorana izany amin'ireo rehetra niombom-bavaka sy niombom-pifaliana tamin'izy ireo na ny tonga na ny tsy afaka tonga tamin'izao andro lehibe tamin'izy ireo izao.

Dia mirary soa hatrany ny tsirairay amin'izao taona vaovao atrehantsika izao fa dia efa Fahasoavana sy fifaliana ary fanehoam-pitiavana izay no nanombohantsika azy.

Ny sary mirakitra izany dia efa azo jerena ato.


Araraotina ihany koa ny mampatsiahy fa amin'ny alahady 11 janoary ho avy izao dia hanao ny voady voalohany koa i masera Nirinarisoa Zaraniaina Rachele Marie Nina araka ity fanasana ity koa dia manantena antsika ho tonga maro hatrany.