You are here

Fankalazana teto Roma ny nanandratana ho Olontsambatra an'i Frera Rafiringa.

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 20/06/2009 - 21:49

Niara-niombom-bavaka sy niombon-kafaliana ireo Malagasy sy ireo kristiana maro ny alahady 14 jiona lasa teo izay nankalazana teto Roma ny fanandratana ho Olontsambatra an'i Frera Louis Rafiringa.

 

" ...

Amin-karavoana no hanolorana azy

Amin-karavoana tokoa tokoa no hanandratana azy

Amin-kafaliana sy amim-pitsikiana

Amin-kafaliana sy fitsikiana manolotra azy..."

 

 

Izany no nanakoako tao amin'ny lasapelin'ny Fikambanan-drelijiozy Lasaliana eny amin'ny via Aurelia eto Roma tamin'ny tolakandron'ny alahady 14 jiona teo raha nankalaza ny nanandratana ho Olontsambatra an'i Frera Louis Raphael Rafiringa ny Malagasy teto Roma niaraka tamin'ireo relijiozy tompon-trano sy ireo kristiana maro tonga nanotrona, niombom-bavaka sy niombon-kafaliana.

 

Nisy ny fampisehoana an-tsary ny fizotran'ireo andro nialoha sy nandritra ny fanandratana azy ho Olontsambatra teny Antsonjombe, Antananarivo, ny alahady 7 jiona lasa teo, sy ireo sary mitantara fohifohy ny tantaram-piainan'ny lehilahy.

 

Nisokatra ho an'ny besinimaro ihany koa ny tranom-bakoka mitahiry ny tantaran'ny Fikambanana lasaliana ary nisokatra ka nosoniavina tao ny Boky Volamena natokana ho an'ity andro lehibe ho an'ny Fikambanana naorin'i Masindahy Jean Baptiste de la Salle ity.

 

Teo ihany koa ny Antsam-panahy fohy nataon'ny tanoran'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo nialoha ny Sorona masina lehibe notarihin'ny Eveka Préfet de la Congrégation des Causes des Saints, i Mgr Angelo Amato, notronin'ny eveka roa izay efa niantsoroka ny adidy maha-solontenan' ny Ray Masina azy ireo tany Madagasikara taona maromaro lasa izay, dia i Mgr Francisco Blasco sy i Mgr Agostino Marchetto, ary ireo pretra malagasy sy vahiny maro. I Frera Rodolfo Meoli, Postulateur Général, no nanokatra ny fotoana ka nilaza fohifohy ny momba an'i Frera Rafiringa sy ny anjara toerany eo amin'ny fiangonana malagasy sy ny Fikambanana lasaliana.

 

Nanotrona izany fotoan-dehibe izany koa ny Lehiben'ny Masoivoho malagasy miasa eto Italie, andriamatoa Jean-Pierre Razafy Andriamihaingo sy ireo mpiara-miasa aminy vitsivitsy, ireo Mpikambana 11 ao amin'ny Conseil Général de la Congrégation des Frères des Ecoles Chrétiennes, ireo  fikambanan-drelijiozy lahy sy vavy isan-tsokajiny ary lahika maro, indrindra ireo Malagasy tsy ankanavaka monina eto Roma sy ny manodidina, ary tsy hadino ny solontena iray avy amin'ny UMCR, fikambanan'ny Malagasy katolika ao Rouen sady miandraikitra ny fampitana vaovao amin'ireo vohikala malagasy maromaro.

 

Sakafom-pianakaviana no namaranana iny fotoana iny, izay tena feno sy nafonja tokoa. Afaka mirehareha isika Malagasy manana Olontsambatra sady Olomangam-pirenena ; ary ny Eglizy dia mbola mangataka vavaka hatrany amintsika eo am-piandrasana ny hanandratana ho Olomasina an'i Victoire Rasoamanarivo.

 

Misaotra sy mankasitraka hatrany amin'ny izay rehetra efa vita sy mbola hiarahana manao.

(Ny sary dia efa azo jerena ATO ary ho avy tsy ho ela ny horonana)

(Tsidio ihany koa ny pejy amin'ny teny frantsay sy italianina)