You are here

Fankalazana ny fetin'ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo.

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 23/09/2009 - 07:34

Ny Fiangonana
Katolika Malagasy eto Roma “Ankohonana
Victoire Rasoamanarivo”
 

dia faly
manasa anareo hiombom-bavaka amin’ny
Sorona Masina ho fankalazana ny fetin’ny
Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo

izay hatao
ny alahady 27 septambra 2009 amin’ny
9 ora sy sasany maraina ao amin’ny
Fiangonana san Macuto, via del Seminario,
120 (akaikin’ny Pantheone)
 

Aorian’ny
Sorona Masina dia hisy fiaraha-miala hetaheta ho mariky
ny fiombonana sy ho fifampizarana hafaliana

 

Mandritra ny
Sorona Masina no hanaovantsika
ny «Raki-dehibe» ho fanomanana
ny fankalazana ny fanambarana
ho Olomasina an’i Victoire
Rasoamanarivo Olontsambatra
mpiaro antsika
.