You are here

Fankalazana ny fetin'ny Fahaleovantena eny amin'ny Masoivoho.

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 04/06/2014 - 06:53

VAOVAO FARANY : hahemotra ny sabotsy 5 jolay ity fankalazana ny fetim-pirenena ity. Ampitampitao ny hafatra. Misaotra indrindra (nampitaina anio 16 jiona 2014)

 

*************************

 

Noho ny fankalazana ny faha54 taona ny Fahaleovantenam-pirenena, Ramatoa RATSIMBAZAFY Josiane, Mpiandraiki-draharaha, sy ireo Mpiara miasa aminy rehetra eto amin'ni Masoivohon'i Madagasikara eto Italia dia faly manasa antsika Malagasy rehetra tsy ankanavaka eto Italia mba ho tonga hiaraka hifaly sy hitotorebika ny Asabotsy 28 jona 2014 manomboka amin'ny 6ora hariva ao amin'ny Ambasady.

Fitafiana mihaja.

 

________________________

FANDAHARAM-POTOANA NY ASABOTSY 28 JONA 2014

 

- 6 ORA HARIVA: FOTOAM-PIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA TARIHIN'NY FFKM ETO ROMA EO AMIN'NY TOKONTANY MALALAKIN'I AMBASADY.

 

- 7 ORA HARIVA: FAMPAKARAN-TSAINA SY TENY FOHY.

 

- 7ORA SY SASANY HARIVA: COCKTAIL

 

- 8 ORA ALINA: FIARAHA MISAKAFO SY TOTOREBIKA.

 

- 11 ORA SY SASANY ALINA: FAMARANANA NY LANONANA.