You are here

Fankalazana ny 29 Marsa 1947 eto Roma

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 11/07/2007 - 08:28

Hisy fotoam-bavaka iraisam-pinoana izay iarahantsika Malagasy eto Roma - sy ireo faritra manodidina izay afaka hamonjy izany – hankalazantsika ny andron’ny 29 marsa 1947. Amin’ny alahady 1 avrily 2007 amin’ny 4 ora hariva no hanaovana izany ao amin’ny Fratelli delle Scuole Cristiane (Via Aurelia 472 - Tel 06/666981 ). Koa asaina am-pitiavana daholo isika hanatrika izany.

29 marsa 1947 : Fikomiana nentina nanoherana ny Frantsay tao Madagasikara

Taorian’ny nanaovana sesitany ny Mpanjakavavy Ranavalona III dia nozanahin’ny Frantsay Madagasikara tamin’ny taona 1896, ary ny Jeneraly Gallieni no voatendry hampandry fahalemana ny Nosy. Saingy noho ny finiavany te-hampandroso haingana dia haingana an’i Madagasikara dia nampihariny ny asa an-terivozona, ary namporisihiny ny fihavian’ny eoropeana maro.

Ho setrin’izany no niforonan’ireo karazana antokon’olona niafina nanohitra ny mpanjanaka. Efa tamin’ny taona 1904-1905 no efa nisy fikomiana ka nahatonga ny fampodiana ny Jeneraly Gallieni.

MoramangaTamin’ny volana febroary 1946 no nitsangana ny antoko MDRM (Mouvement Démocratique de la Rénovation Malgache), izay noheverina ho ati-doha nikotrika ny korontana nitranga tany amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy tamin’ny alin’ny 29 hifoha 30 marsa 1947.

Nisy ireo antokon’olona nitana fiadiana nanafika toby miaramila frantsay. Na samy nisy aina nafoy aza tamin’ny andaniny sy ny ankilany dia maromaro kokoa ireo malagasy lavo tamin’izany noho ny tsy fitovian’ny fitaovana nentina niady, indrindra fa ireo tafika frantsay dia nampiasa ihany koa ny andiany an’habakabaka.

Taorian’izany fangejana mafy sy tolona nitakiana ny Fahaleovantena izany dia natao Repoblika tsy miankin-doha i Madagasikara tamin’ny taona 1958 ary ny taona 1960 izy no nahazo ny Fahaleovantenany madio.

Maro moa ny hevitra nivoaka momba ny 29 marsa 1947, misy ireo mpandàla tantara no samy manana ny hevitra tsy itoviany na eo amin’ny lafin’ny nahatonga ny fikomiana na eo amin’ny isan’ny aina nafoy : tao Jean Fremigacci, izay nanoratra ny “la vérité sur la grande révolte de Madagascar”, ao amin’ny boky “L’histoire” ; ary ao koa ohatra i Jacques Tronchon amin’ny bokiny mitondra ny lohateny “L’insurrection malgache de 1947”.

Feno 60 taona ity zava-nitranga tao Madagasikara ity izao, ho tsaroana tokoa ny rà latsaka tamin’izany. Tsy hoe firy marina no lavo tamin’izany no katsahintsika amin’izao fotoana izao fa ny hahafantatra ny antony marina nahatonga izany ary ny vokatr’izany aty aoriana.

Ary irariana ny tsy hanadinoina izany Tantaran’ny Firenentsika izany, sy ny hampahafantarana izany amin’ireo tanora sy zaza malagasy izay lehibe aty ivelany ka tsy mba mahalala izany akory.

Izany no hanasana antsika rehetra amin’ny 1 avrily 2007 hiara-hankalaza io andro manan-tantara amin’ny firenentsika io ka tongava maro.

Mpanoratra: Rondro

Misy mpampianatra eny amin'ny Oniversite-n' Naples, Ramatoa Liliana Mosca, nandefa ihany koa lahatsoratra feno momba ny 29 mars izay azontsika jerena ao amin'ny pejin'ny "Tahirin-kevitra - lahatsoratra sy articles" . Isaorana manokana izy amin'izany fandraisany anjara izany, hampahafantatra antsika bebe kokoa ny tantaram-pirenentsika..

http://malagasy.it/?rub=download/download