You are here

Fankalazana ny 26 Jiona

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 02/07/2005 - 08:25

[img:right]http://photos15.flickr.com/21694271_09d9c63784_t.jpg[/img]Nofaranana tamin'ny fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana tao amin'ny Fiangonana Valdezy Via 4 Novambra ny fankalazana ny fetin'ny Fahaleovantena teto Roma.

Nofaranana tamin'ny fiaraha-mivavaka iraisam-pinoana tao amin'ny Fiangonana Valdezy Via 4 Novambra ny fankalazana ny fetin'ny Fahaleovantena teto Roma. ([url=http://malagasy.it/index.php?rub=pages/page&page_id=p42b7b00970ebd]Jereo eto ny tahirintsary[/url]).

Nandritra ny fotoam-bavaka no nandinihana manokana ny tena fahafahana ao anaty lalàna sy fitiavana. Notsarovana manokana tamin'izany ny Firenena sy ny vahoaka ao aminy izay mbola tsy tafarina amin'izao fotoana izao.
Vita izany ny fankalazàna ny fety. Azo lazaina ho tsy ambakan'ireo Malagasy ampivahinianana any amin'ny firenena hafa ny teto Italia. Ny teto Roma, ohatra, ankoatran'io fiaraha-mivavaka io dia nanolotra koràna ny teny amin'ny Ambasady. Nisy koa ireo hetsika nataon'ireo fikambanana isan-karazany... izay mbola hitohy. Nisy koa ny tany amin'ny faritra hafa, toy ny tany Torino sy ny tao Verona izay nahitana hatrany firaisankina sy fiaraha-mientana.

Irariana ny hitohizan'izany firaisankina izany... ary tsy ao anatin'ny fety ihany.

Nametraka fanadihadiana fohy (tsikera sy tombana) momba ny fahitanao iny fety iny izahay ao amin'ny forum. Ny valin'ny fanadihadiana ao dia hatolotra ny Ambasady ho fitaovana hanatsarana ny ho avy. [url=http://malagasy.it/index.php?rub=forum/message&msgid=m42bf97a23e411]Azonao jerena eto[/url] izany fanadihadiana izany dia mandraisa anjara. http://malagasy.it/index.php?rub=forum/message&msgid=m42bf97a23e411