You are here

Fandraisan'i Mgr. Odon Razanakolona ny Pallium

Nampidirin'i superadmin ny Sat, 01/07/2006 - 09:31

Anisan'ireo Eveka izay nandray ny Pallium http://fr.wikipedia.org/wiki/Pallium ny Arservekan'Antananarivo Mgr. Odon Marie Arsène Razanakolona ny alakamisy 29 jiona 2006 lasa teo. Fety fankalazana ny Apostoly Paoly sy Piera io andro ary andro natao tsy hiasana eto Roma. Maro noho izany ny Malagasy teto Roma sy ny manodidina no afaka nanatrika izany lanonana izany. Tonga nanotrona avy any an-tanindrazana koa ny Kardinaly Armand Gaetan Razafindratandra izay Arsevekan'Antananarivo teo aloha.
Azo jerena ao amin'ny [url=http://malagasy.it/index.php?rub=pages/page&page_id=p42b7b00970ebd]Tahir... ireo sary vitsivitsy nalaina nandritra izany.