You are here

Fanasana voady mandrakizay

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 27/02/2006 - 11:33

Nahavoaray fanasana avy tamin'i Fr. Jean-Marie (Montfortain) izahay koa ampitaina amintsika rehetra. Dia manantena antsika ho avy indray amin'io fotoana io.

[center][color=red][size=13px][b]FANASANA[/b][/size][/color]

[i][b][color=blue]"Inty aho…"(Lioka 1, 38a)[/color][/b][/i]

--------

Ry tapaka sy namana rehetra,

Hafaliana lehibe ho anay "Communauté Scolasticat Montfortain" Via Prenestina ny manasa anareo hiombom-bavaka aminay amin'ny fisaorana an'Andriamanitra, amin'ny Voady Mandrakizay ataon'ny rahalahinay:

[size=15px][b]RAKOTONDRAVAO Jean Marie Helpa[/b][/size]

Ny fankalazana dia ny

Sabotsy 25 marsa 2006, Fety fankalazana manetriketrika ny Fahatongavanan' Tompo ho Nofo

(Annonciation)

Amin'ny 4 ora tolakandro

Ao amin'ny fiangonana

Md Louis Marie de Montfort

Scolasticat Montfortain

[img]http://malagasy.it/photos/jmarie.jpg[/img]
[/center]
Misaotra betsaka anareo amin'ny fiombonam-po amam-panahy aminay. Manantena antsika ho tonga maro satria hisy koa ny fandraisantsika anjara amin'ny Litorjia, misy hira telo:

1-Litania: Any Zanahary Andriamanitray o

2- Hira amin'ny fanolorana: Indro atolotray aminao ry Tompo, ny fanatitra avy aminay (miaraka amin'ny fihetsika)

3- Hira fisaorana: Mahaiza sy misaotra sy mankasitraka (misy fihetsika)

Fomba ahatongavana any:

èNy toerana hanaovana ny Voady dia any amin'ilay nanaovana fihaonana voalohany tamin'ny volana Janoary, fifampiarahabana tratry ny taona.

Ho an'ireo tsy mahita ny toerana dia ireto ny toro-làlana:

* Mandray ny Metro B, miala Ponte Mammolo, eo no mandray Bus 508 ary miala eo amin'ny jiromena fahatelo aorian'ny Grande Raccordo.(sahabo ho 3km miala avy eo amin'ny Grande Raccordo), eo ampitan'ny fijanonana amin'ny bus no misy ny vavahady.
* Raha mandray bus avy any amin'ny Largo Preneste dia ny bus 501
* Raha via Casilina dia Bus 056
* Ho an'ireo mandeha automobile: mandray ny Via Prenestina, mizotra manaraka ny direction Paletrina /Tivoli, 3 km aorian'ny Grande Raccordo.
* Ho an'ireo manaraka ny Grande raccordo; ny fivoahana (Uscita) dia ny n. 16.