You are here

Fanamboarana sekoly any Mahasoa

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 03/08/2005 - 22:50

Tsy mitsaha-mitombo ireo kaominina izay manao asa fanasoavana amin'ny fanaovana tetikasa any Madagasikara. Vao re indray izao fa manana tetikasa vaovao hanamboarana sekoly any Mahasoa ny kaominina ao Pagani. Atoa. Gerardo De Prisco izay filohan'ny Associazione Ex Consiglieri Comunali di Pagani no nanambara ny fisian'izany tetikasa izany izay hambara ofisialy amin'ny kermesy “Pizza e pizze” ao amin'ny Arena Pignataro di Pagani manomboka ny 28 aogositra ka hatramin'ny 4 septambra izao.
Ny momba ny kermesy moa dia azontsika jerena amin'ny rohy eto ambany
http://www.salernonotizie.it/notizia.asp?ID=195