You are here

Fanamboarana pasipaoro vaovao atao eto Roma ny 8 sy 9 janoary 2012

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 23/12/2011 - 15:09

Ny mpiandraikitra ao amin'ny Masoivohom-pirenena malagasy eto Roma dia mampilaza fa amin'ny ALAHADY 8 JANOARY sy ALATSINAINY 9 JANOARY 2012 ho avy izao dia andro natokana hanamboaran'ireo teratany malagasy monina eto Italia manontolo ny pasipaoro vaovao ho an'izay mbola tsy manana izany.

Eny amin'ny Foibe, via Riccardo Zandonai 84, eto Roma no
hanatanterahana izany. Mbola hampitaina amintsika amin'ny andro 
manaraka ihany ny vaovao fanampiny sy ny momba ireo taratasy rehetra
ilaina, fa dia efa ataovy anaty tetiandro aloha ireo andro roa ireo.

Mba ampitao amin'ny hafa izay tsy manana mailaka ihany koa ny vaovao azafady indrindra. Misaotra mialoha.

Mirary fety sambatra, mirary soa amin'ny taona vaovao.

 

Fanampiny:

 

Ankoatra ireto antontan-taratasy angatahana eto ambany ireto dia misy taratasy fangatahana fenoina mila alainareo ato ihany koa : http://www.malagasy.it/downloads/document/get/formulairepasseport.pdf

 

 

passambamad

 

Filazana pasipaoro

 

Ny fanontaniana roa nipetraka mazàna moa zany dia efa voavaly amin'io fanambarana io ambony io : momba ny sora-pahaterahana sy ny fizakana ny zom-pirenena malagasy.

Ankoatra izay, ny livret de famille kosa izany dia tsy mahakasika anareo pretra sy ianareo relijiozy na lahy na vavy.

Na manavao na maka pasipaoro vaovao dia mila ilay "certificat de nationalité" ireo avokoa

Isaorana indrindra ireo zoky raimamandreny ao amin'ny masoivooho eto Roma tsy mahalala sasatra fa dia
manaiky hokotabaina hamaly antsika na efa ampototry ny fety aza ny andro.

 

Soavà daholo.