You are here

Fanamasinana ho Diakra an'i Fr. Jean Clément

Nampidirin'i superadmin ny Mon, 07/05/2007 - 08:16

Hafaliana lehibe ho an’ny Fianakaviam-ben’ny Fikambanana ORIONISTA ny manasa antsika rehetra hanotrona ny fanamasinana ho DIAKRA an’i FR.  RAFANOMEZANTSOA  JEAN CLEMENT izay atao eny Monte Mario Roma, ao amin’ny Fiangonana Mater Dei, Via  della Camilluccia 112-120 , 00135 ROMA,  ny Sabotsy 26 Mai 2007 amin’ny  6 ora hariva.

Tsara ho marihana fa ny hira amin’ny litorjia dia atao amin’ny tena malagasy ka entanina isika Paroasy Victoire RASOAMANARIVO sy isika sakaiza tsy mahafoy rehetra ho tonga maro.

Ny Bus ahatongavana eny amin’ilay toerana dia ireto:

Miala avy eo “ Fermata Metro Cipro”: 913, 907, 999, 990 dia miala  eo amin’ny Fermata “ Camillucia Centro Don Orione” . Raha avy eny amin’ny Stadio olimpico dia mandray Bus 911 na 48 dia miala Piazza Igea ary dia mandeha tongotra kely 2 minitra  manaraka ny via Camilluccia dia efa tonga eo amin’ilay toerana. Ny Parking moa dia malalaka ho an’ireo  izay hitondra fiara.

Izay fa dia manantena ny fahatongavantsika maro.

Jereo eto ny sarintany