You are here

Famangian'ny Raiamandreny Kardinaly Razafindratandra

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 21/02/2006 - 16:34

Ry mpiray tanindrazana,

Fiadanana sy hafaliana no entina miarahaba antsika mianakavy amin’ny alalan’ny fifampizarana vaovao izay mampiombona antsika. Ho fanamafisana ny vaovao nampitaina tamin’ny farany dia ho avy hamangy antsika eto Italie ny Ray aman-dReny Son Eminence le Cardinal Armand Gaètan RAZAFINDRATANDRA ny 26 febroary ho avy izao. Ho tonga miaraka aminy ihany koa ny Achevêque vaovao Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA.

Araka ny efa nampandrenesina antsika dia ao amin’i Basilique Saint Silvestre no ihaonana ka amin’ny 2 ora sy sasany ny fotoana. Hanomboka amin’ny 3 ora ny lamesa mba hahafahan’ireo mody lavitra miombona amintsika amin’ny programma manaraka, noho izany dia dia manasa antsika rehetra mba ho tonga aram-potoana.
Io andro io no hatokantsika mianakavy hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra noho ny soa miavosa nomeny ny Fiangonana tamin’ny alalan’i Son Eminence le Cardinal. Ary hitondrantsika am-bavaka ny Archevêque vaovao, hangatahantsika amin’Izy Tompo ny fahasovana rehetra ilain’izy ireo hahaleo hahalasana amin’ny andraikitra sahaniny ao amin’ny Fiangonana sy eo anivon’ny Firenena.

Andro iray toa zato ho antsika mianakavy monina eto Italia io fotoana io ; ka aorian’ny lamesa dia hisy fialana hetaheta ho fanohizana ny fiaraha-mifaly. Entanina ary isika hitondra izay voatsirambin’ny tanana ho enti-manafana ny fety, toy ny fanaontsika hatramin’izay ary ho tohizana araka izay azo atao.
Izay manolotra an-kafaliana hono no sitrak’Andriamanitra ka mamporisika antsika rehetra amin’ny fandraisana anjara mavitrika hanehoana fankasitrahana sy ho fiarahabana ny Ray aman-dReny izay mamangy antsika ampitiavana.

Zava-dehibe ny fahatongavan’ny tsirairay sy ny fihaonantsika amin-kafaliana ka ampitapitao araka izay maha mety azy. Mangetaheta hatrany hahalala ny zava-misy eo anivon’ny Fiangonana sy ny Firenena isika ka manantena fa manana vaovao mahaliana hampitaina ireo Ray aman-Dreny ireo.

Ny rehetra tsy an-kanavaka no tolorana fisaorana eran’ny fo sy ny fankasitrahana eran’ny saina amin’ny fiombonana sy fiaraha-miantana hatramin’izay ka hatramin’izao ary ny maha tsy misara-mianakavy.
Hanamora ny fahatongavan’ireo izay mbola tsy mahita ny toerana dia indro misy fanazavana tsotsotra :
Basilica Saint Silvestre : “ akaikin’i Sainte Marie Majeure”. Ka ny tsotra indrindra dia mandray ny Bus n° 714 ao amin’i Termini dia midina eo amin’i Fermatta Merulana (Brancaccio), fermatta voalohany avy eo amin’i Sainte Marie Majeure. Avy eo manaraka ny rindrin’i “Museo Nazionale d’Arte Orientale”, dia mandray ny Viale del Monte Oppio. Mandeha tokony ho 50 m dia tonga. Eo ankavanan-dalana no misy ny “BASILICA SS SILVESTRO E MARTINO AI MONTI”.
Eto ampiandrasana io fotoana io dia manao veloma finaritra anareo rehetra. Samia ho tahin’Andriamanitra ka hihaona an-kafaliana sy amim-pahasalamana.