You are here

A-Dio Neny Juliette !

Nampidirin'i Rondro ny Wed, 26/01/2022 - 17:07

Manjombona vao miandoha taona indray ny lanitrantsika eto Roma fa namoy an'i neny Juliette, renin'i Lova sy Andry, isika omaly talata 25 janoary tolakandro.

Maro no mahalala azy satria reny teo anivon'ny diaspora foana izy nandritra izay fotoana rehetra izay, reny tao amin'ny Fiangonana Protestanta eto Roma ary efa filohan'ny Fiombonan' ny Fiangonana Kristianina Malagasy atý Italia.

Misimisy ihany koa ianareo no nahalala azy fony izy dokotera mpitsabo teny Mahitsy satria nony nisotro ronono izy vao tonga namonjy azy mianadahy zanany tatý.

Araka ny fandaminana dia ny zoma 28 janoary 2022 ho avy izao no hiondrehantsika farany eo anoloan'ny vatany mangatsiaka sy hanomezantsika voninahitra azy ao amin'ny Camera mortuaria, in via di Santo Stefano Rotondo 5, presso l'Ospedale dell'Addolorata, San Giovanni.  Adiny iray ihany no fotoana ananantsika amin'izany : manomboka amin'ny 11 ora maraina satria amin'ny 12 ora kosa no hidiana ny vata ary ho aterina eny amin'ny Crematorio, Cimitero Flaminio eny Prima Porta, Roma.

Ny alahady 30 janoary amin'ny 2 ora sy sasany tolakandro (ore 14.30) kosa, ao amin'ny fiangonana protestanta - Chiesa valdese - via IV novembre, 107 ny fotoam-bavaka hiombonantsika fo sy fanahy amin'ny fianakaviana. Ary mandritra izany no hanatanterahantsika ny adidy farany amin'i neny araka ny fomba malagasy.

Miombona alahelo ary mankahery tanteraka ny fianakaviana manontolo amin'izao fotoana mangidy izao. Neny niombonantsika izy ka tsy anareo irery ny alahelo sy ny fahoriana fa antsika mianakavy.

Ho maivana aminao ny tany ry neny ! Tongava soa eo anilan'ilay Ray izay notompoinao hatrany tetý cryingcrying