You are here

ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY TENIN-DRENY tao BORGOSESIA

Nampidirin'i superadmin ny Tue, 26/02/2013 - 11:45

IMG_4186

FISAORANA
Ny Fikambanana G.T.M. dia misaotra be dia be anareo rehetra tonga nanotrona ny Fankalazana ny ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY TENIN-DRENY tao BORGOSESIA (VC) tamin'ny Asabotsy lasa teo. Nahavelom-bolo ary nampihetsi-pò tokoa ny fahatongavanareo (na ny lavitra na ny akaiky) sy ny fahavitrihana nananan'ny tsirairay ka nahatontosana ny koranam-PIHAVANANA.
Misaotra ihany koa izay rehetra nandray anjara tamin'ny fifaninanana ary mamporisika ny maro anisa hatrany hanandratra avo ny SOATOAVINA MALAGASY.
Mankasitraka Tompokolahy, mankatelina Tompokovavy!!!
Amim-pitiavana!


Ny Biraon'ny Fikambanana. 

Ny sary dia azonareo jerena ATO

_________________________________

Indro  ny lahatsoratra nahazo ny laharana voalohany tamin'ny fifaninanana

Loha-hevitra:Hazavao amin’ny fomba tsotra sady fohy nefa mazava ny fijerinao ny atao hoe FIHAVANANA eo anivon’ny Fiaraha.monina Malagasy.”

 

Misy fiteny manao hoe: “Havan-tiana tsy mahalavin-tany”. Inoako fa noho izany no nahatafavory antsika eto izao. Azontsika tsirairay natao ny nijanona tany an-tokantrano nisahana ireo raharaha aman’andraikitra, kanefa nohon’ ny fitandroana ny Fihavanana sy ny firaisan-kina amin’ny maha-samy Malagasy dia tonga eto isika hiara-paly sy hanamafy izany.

Ny Fihavanana dia anisan'ireo endrika mampiavaka indrindra ny zanak'i Gasikara eran-tany.

Inona tokoa moa no zava-tsoa sy harena saro-bidy azon’ny Malagasy ifampizarana amin'ity fiainana ity raha tsy ny Fihavanana?

Tsy ny iray rà aminao ihany no azo atao hoe havana fa ny mpiara-monina sy mpiara-dàlana amin’ny fiainana andavanandro izay miara-ory na miara-paly aminao!

Toy ny fambolena anefa izy io ka mila kolokoloina sy tondratondrahana mba tsy halazo na ho faty, satria mety maro dia maro ny voka-dratsy ateraky ny fandrosoana ankehitriny ka mitady hanimba ny Fihavanana.

Ny irariako dia ny tsy hanadinoantsika tsirairay hatrany fa tsara ny manan-kavana ary voninahitra lehibe ho an’ny Malagasy ny hitohizan’ny lazantsika eran-tany amin’ny fitandroam-pihavanana fa sao mantsy, sanatria, any andro hanjaka ilay fiteny hoe: “havana raha misy patsa”!

Inoako fa tadidintsika ilay hira malagasy manao hoe: “io volabenao io tsy hitondra anao ho any Mõzõlé fa ny havanao no hilanja anao...”, tsy izany ihany fa izy ireo ihany koa no hampita ny tantara sy ny soa vitanao amin’ny taranaka amam-para mandimby.

Ho famaranana dia manantena aho fa “tsy hataontsika fihavanam-bato ny antsika ka raha tapaka tsy azo atohy, fa hataontsika fihavanan-dandy, ka ny madilana tentenina ary ny mainto atohy”. Fantantsika koa fa hatramin'izay ka hatramin'izao ny ady dia mamoka-dratsy hatrany fa ny Fihavanana kosa mamoka-tsoa lalandava!!

Misaotra anareo nihaino!

 

Borgosesia, 23/02/2013

Brissette (Mpikambana ao amin’i G.T.M.)

 

 

tenindreny