You are here

Akon'ny Giornata del Madagascar 2012 tany Torino

Nampidirin'i superadmin ny Wed, 11/07/2012 - 11:47

Torino 171

Vita soa aman-tsara ny “Giornata del Madagascar 2012” nokarakarain’ny
Fikambanana Malagasy Miray (MA.MI) tany Torino. Andiany faharoa izy ity ary
nampifanojoana indrindra amin’ny fankalazana ny faha-52 taona nahazoan’i
Madagasikara ny Fahaleovantena.

Tao amin’ny Teatro ATC, tao amin’ny Corso Dante tao Torino
no natao ny hetsika, nanomboka ny tolakandron’ny asabotsy 7 jolay ka
hatramin’ny sasakalina.

Ankoatra ny varotra-fampisehoana ireo asa-tànana vita malagasy
dia tao koa ny fampirantiana ny efitrano malalaka tamin’ireo sary nalain’i
Giuseppe Pino Schintu nandritra ireo diany tany Madagasikara.

Ny tapany voalohany tamin’ny fotoana ary dia nifandimbiasan’ireo
vondrona, fikambanana, mpikaroka, mpiaro
ny tontolo iainana miasa any sy ho an’i Madagasikara. Tao koa ny Concorso
Letterario Nazionale di Lingua Madre
izay efa nampiantrano ny sangan’asan’ny
andriambavilanitra malagasy telo, dia i Jacqueline Tema (Loka voalohany, taona
2011) sy Olga Sohantenaina ary Jessi Ranaivoson.

Isan’ny voaasa tamin’zany koa ny vohikalantsika “Malagasy
eto Italia
”, nilaza fohifohy fa raha ny maro amin’ireo fikambanana sy vondron’olona
isan-tsokajiny no miasa any Madagasikara hanasoa an’i Madagasikara, izahay telo
mianadahy ato amin’ny vohikala kosa dia eto anoloan’ny solosaina no miasa ho an’ny
teratany malagasy monina eto Italia sy ho an’ireo rehetra mifanerasera
amintsika. Miezaka manome fahafahampo ireo mila fanazavana, ireo mila
torohevitra, ireo mila mampita vaovao, sns. Izany hoe miezaka ho tetezana
mampifandray ny Malagasy samy Malagasy sy ny Malagasy sy ireo vahiny. Izany
rehetra izany dia hampahafantarana bebe kokoa an’i Madagasikara, satria isika
vitsy loatra ka safotra ao anivon’ireo tompon-tany sy ireo mpivahiny maro an’isa.

Torino 133

Tamin’ny tapany faharoa kosa dia nisy ny sakafo malagasy
sady nafilotra izay namidy tamin’ny vidiny mirary ka ny vola azo tamin’izany dia
natolotra manontolo ho an’ireo fikambanana mikarakara ankizy sahirana any
Madagasikara. Taorian’ny sakafo dia niakatra an-tsehatra i Olga del Madagascar nampahafantatra ny rakikira “Bois de rose”, izay fitaovana iray entiny miady
amin’ny fandravana ny ala sy fanimbana ny tontolo iainana any Madagasikara.

Ary satria fety ny andro dia tsy afaka amintsika malagasy ny
korana sy dihy mandra-pahatongan’ny fe-potoana hanidiana ny trano.

Tontosa soa iny andro iny, nahavelombolo ny fahazotoan’ny
tsirairay manao ezaka hanandratra ny maha-Malagasy. Nitsiry tamin’izany ny
fikasana hitondra ny andiany fahatelo aty an-drenivohitra ka raha tsy misy ny
sampona dia eto Roma no hatao ny “Giornata del Madagascar 2013” ka manantena sahady ny
fiaraha-mientan’ny rehetra.

Misaotra ny Fikambanana Ma.Mi sy ireo rehetra nitoto  nahafotsy, nahandro nahamasaka, tsy nahalala
havizanana nanao izay nahatomombana iny hetsika iny. Misaotra ireo rehetra izay
tsy naha-lavi-tany fa tonga am-pitiavana nitondra ny anjara birikiny (avy any
Genova, Milano, Roma sy ireo tanàna manodidina an’i Torino).

Torino 256

Torino 368

(ny sary rehetra dia efa ato amin'ny TAHIRINTSARY)