You are here

“ Aumônier”-ny Malagasy katolika eto Italie.

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 16/04/2006 - 21:51

Ry mpianakavy ao amin’ny Fiangonana katolika,

Faly manolotra ny fiarahabana ho antsika rehetra amin’izao herin’andro masina izao.

Ry mpianakavy ao amin’ny Fiangonana katolika,

Faly manolotra ny fiarahabana ho antsika rehetra amin’izao herin’andro masina izao. Iaraha-mahalala fa noho ny adidy aman’andraikitra sahanin’ny tsirairay dia misy ny mandeha manatontosa izany ivelan’i Roma, misy kosa ny mankalaza izany fotoan-dehibe izany eto Roma ihany ; izay anton’ny ifandraisan-tsika amin’ny fampitam-baovao toy izao mba ho firaha-miombona sy ho fiaraha-mientana.

Tamin’ny alahady 9 avril lasa teo dia nisy ny fankalazana ny sampakazo niarahan’ny Malagasy izay afaka teto Roma, tao amin’ny toerana mahazatra : “Chapelle” - ndry Mompera Zezoita ihany, ka araka ny vaovao nampitaina tao dia miara-paly isika fa nahazo ny taratasy avy amin’ny fivondronam-ben’ny Evekan’i Madagasikara, manendry an’i Mompera Paul Louis RAFANOMEZANTSOA (Fikambanan’i Jesoa) ho “ Aumônier”-ny Malagasy katolika eto Italie.
Araka ny voalaza dia telo taona no faharetany eo, ary azo havaozina rahefa tapitra ny telo taona. Vaovao mahafaly ho antsika izany satria manambara fa misy tompon’andraikitra mivantana ny fiombonam-ben’ny Malagasy eto Italie. Midika koa izany fa toy ny Paroasy rehetra misy eto Roma ny Fiangonantsika. Ankehitriny manana “Aumônier” isika hatao “point de référence”: hifampizarana vaovao, angatahana torohevitra sns...Miara-misaotra an’i Mompera Paul Louis isika amin’ny fanaovany “ENY” hanompo ny Fiangonan’ny Malagasy eto Italie.

Tsara ho marihina ary fa misy ireo fepetra takina amin’ny maha Paroasy ny Paroasy ; maro araka izany ny zavatra mbola tokony ho jerena mba hahafeno ny fepetra, toy ny fampitomboana ny fotoana iarahantsika mivavaka. Hampandrenesina antsika ombieny ombieny ny programa manaraka.

Manolotra ny fankasitrahana sahady amin’ny fahavononan’ny tsirairay hirotsaka antsehatra amin’ny adidy aman’andraikitra manandrify azy avy. “Ny adidy hono tsy an’olon-dratsy.”, hoy tokoa ny fitenin-dRazantsika. Ny batemy nananganana antsika ho zanak’Andriamnanitra no manentana antsika hanatontosa izany ao amin’ny Fiangonana sy ny manodidina.

Ilazana koa isika fa amin’ny alahadin’ny Paka dia hitombo isa ny zanak’Andriamanitra ao amin’ny Fiangonana katolika, satria hisy zaza hatao batemy mandritta ny fankalazana ny Paka atoandro iarahan’ny malagasy izay afaka ao amin’i Collegio Bellarmino, Via del Seminario ,120

Eto am-pamaranana dia manatitra amintsika sahady ny fiarahabana TRATRY NY PAKA 2006: “Velona marina i Jesoa Tompo , resy ny herin’ny fahafatesana koa mifalia e, aleloia.”
Paka feno hafaliana sy fahasoavana izany no irina hiainan’ny tsirairay.
Veloma finaritra indray, miombom-po, miombom-bavaka hatrany isika.

Ny Birao