You are here

Mondialido, andiany faha13

Nampidirin'i superadmin ny Fri, 13/05/2011 - 10:06

Amin'ny sabotsy 21 mey ho avy izao ny kiririoka voalohany hanombohana ny Mondialido 2011, andiany faha-XIII, hiadiana ny "Amboaran'ny Filohan'ny Repoblika"

Tsy eny Ostia toy ny mahazatra no hanaovana azy amin'ity indray mitoraka ity fa eny amin'ny Stadio Centro Sportivo Spes Artiglio, via Boemondo, manatrika ny Stazione Tiburtina, ny 22 mey ka hatramin'ny 26 jiona.

Firenena 24 no handray anjara amin'zany : Afghanistan, Bangladesh, Cameroun, Cap Vert (efa nandrombaka ny Amboara in'efatra izay), Cité du Vatican, Congo, Ecuador,
Ethiopie, Japon, Irlande du Nord, Italie, Madagascar, Moldavie, Paraguay, Perou,
Pologne, Roumanie, Somalie, Espagne, Sénégal, Tunisie ary Ucraine, ao ihany koa ny Sans Frontières, solontenam-paritra isan-tsokajiny ao amin'ny Caritas
diocesana.

Ny lanonana fanokafana kosa dia hatao etsy amin'ny Stadio Alfredo Berra, (ex-Stadio Eucalipti) Via Giuseppe Veratti (viale Marconi) hanomboka amin'ny 10 ora sy sasany maraina. Tontolo andro izay hampafahantarana ny mombamomba ireo firenena mandray anjara eo amin'ny lafin'ny kolotsaina sy vakoka, eo amin'ny sakafo mampiavaka ny tsirairay, rindran-kira, valandresaka, lalao fanitaran-tsaina ho an'ny ankizy, sns.

Isan'ny  mahafaly dia handray anjara hitondra ny fanevan'i Madagasikara amin'io ny Fikambanana Tetezana Onlus ka ao ambany alokaloky ny Stand tazonin'izy ireo isika no hifanome fotoana. Tongava maro, ento ny namana sy tapaka, ilazao ireo izay tsy tratra antso, mitondrà vatsy na zava-pisotro hifampizarana raha misy terem-panahy satria ny tontolon'ny andro isika no hiaraka ao fa sady hanotrona indrindra indrindra ny Ekipantsika amin'ny matso ataon'ireo mpandray anjara rehetra.

Toa izao ny fandaharam-potoana amin'io andron'ny 21 mai io :

 

Volantino Apertura

Volantino Apertura