You are here

Hetsiky ny Fikambanana MA.MI ao Torino

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 20/09/2015 - 21:58

Ny Fikambanana Malagasy Miray (MA.MI) ao Torino dia manasa ny rehetra amin'ny fihaonana ara-koltoraly, karakarain'ny paroasy San Luca ao Torino, ary handraisan'izy ireo anjara mba hampahafantarany an'i Madagasikara, ny alahady 11 oktobra ho avy izao, manomboka amin'ny 4 ora tolakandro araka ity fanasana ity.

Isaorana koa isika ho avy hanotrona mba hanao fitafiana maneho ny maha-malagasy antsika.
Ankasitrahana ny famandrihana amin'ny adiresy malagasimiray.turin@libero.it  alohan'ny 2 oktobra.

Tongava maro miaraka amin'ny havana sy namana rehetra.