You are here

Hetsika ho an'i Bemaneviky karakarain'iny KaMeMa

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 13/11/2011 - 16:15

Am-pifaliana no hanasan'ny tarika artistika "Kanto sy Mevan'i Madagasikara" (Ka.Me.Ma) antsika rehetra hiara-hientana amin'ilay koranam-pirahalahiana karakarain'izy ireo ny alahady 27 novambra 2011 ho avy izao, hanomboka amin'ny 4 ora tolakandro, eny amin'ny Oratorio Santa Maria della Speranza, via F. Cocco Ortu 19, Roma.

Hira, dihy, sakafo ary asa-tànana malagasy no hiarahantsika mandritra izany. Tsy hisy  ny vidim-pidirana fa raisina am-pifaliana izay foinareo. Ny sakafo kosa dia mirary dia mirary ny vidiny.

Ny vola azo amin'izany dia atolotra ny fikambanana saleziana izay manao asa soa ao Bemaneviky  ka isaorana sahady anareo malala-tànana rehetra.

Ilazao sy taomy ireo namana fa ny adidy ho vita ary ny fahafinaretana ho azo.

 

per bemaneviky