You are here

HAFATRA avy amin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo.

Nampidirin'i superadmin ny Sun, 18/10/2009 - 19:22

Fisaorana sy fankasitrahana no atolotra antsika rehetra tonga (na
niombom-bavaka fa tsy  afaka) nandray anjara mavitrika tamin'ny
fisaorantsika ny Tompo noho ny amin'i Frera  Rafiringa Olontsambatra,
andrarezin'ny fanabeazana. Isaorantsika manokana ireo eveka rehetra sy
ray amandreny lahika nanamasaka izany haravoantsika izany.
Manolotra vavaka ho anareo hatrany ny tenako.

Benirina, isan'ny pretranareo eto Italia

Filazàna: Aza hadino fa eny Vatican ny Lamesantsika amin'ny alahady 25 oktobre 2009, hamarana ny Sinaodan'i Afrika.

P.S.
Araka
ny dinika nifanaovanay Komity tamin'ireo Eveka Ray aman-dReny, misolo
tena an'i Madagasikara, ka tonga miatrika ny Sinoda dia zava-dehibe ny
fiombonana sy firaisan-kinan'ny ary fifankatiavantsika Malagasy ho azy
ireo.
Noho ny antony tsy azo anoharana koa anefa, dia ny
fahavitsian'ny Pretra any Madagasikara, dia tsy afaka mandefa pretra
hirahana manokana hisahana mivantana izany raharaha izany na ny
Fiangonana eo ambany fiahian'ny CEM (Fivondronamben'ny Evekan'i
Madagasikara) na ireo Fikambanana pretra miparitaka manerana ny Nosy
izay miara-miasa amin'ireo Evekantsika.
Koa anjarantsika Malagsy aty
an-toerana hoy izy ireo ny mijery akaiky izay hampandeha sy hampirindra
tsara ny Aumonerie sy ireo Ankohonana tiana hajoro na efa mijoro. Ny
taon-trano tsy vitan'olon-drery, ary asa vadi-drano izy ity ka tsy vita
raha tsy ifanakonana.
ENTANINA ARAK'IZANY NY TSIRAIRAY MBA SAMY HANDRAY ANJARA AMIN'IREO
VAOMIERA ARAK'IZAY TIANY SY MANAVANANA AZY AVY (jereo eny ambany).

Noho
izany koa, dia iangaviana isika Malagasy rehetra izay mba mahalala ireo
pretra malagasy mianatra na miasa any rehetra any mba hanome ny anarana
sy ny adresin'ireo pretra ireo, na diosezianina na relijiozy, fa maro
amin'izy ireo no miparitaka eran'Italia, nefa tsy mba tratr'antso na
tsy mahazo vaovao mihitsy. Izany no atao dia mba hahafahana mandrindra
miaraka ny fandaminana sy fandrindrana rehetra tokony hatao isan-taona,
araka ny fanirian'ny CEI (Fivondronamben'ny Eveka eto Italia) izay
mifanindran-dàlana amin'ny fiangavian'ny CEM.
Iriko mba ho azo
haingana koa ny adresin'ireo Lahika sy Relijiozy any rehetra any, mba
hahafahana manaparitaka haingana sy tsy tapaka ny vaovao avy aty
amin'ny Aumonerie Foibe. Raha misy antony manokana tsy ahafahanao manao
izany dia iangaviana mba hanoratra amin'izao adresy manaraka izao
ianao: P.
RABENIRINA JOSEPH - Via del Seminario 120 - 00186 - ROMA Italia
.

Ireto ny zavatra goavana tokony hatao sy hatrehina ary miandry antsika amin'ity 2010 taona ity:
1) Fanangonana tahiry ho fitsinjovana sy hoenti-miatrika ny fananganana ho Olomasina an'i Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra.
2) Kongresy I manokana hihaoanareo Lahika Malagasy rehetra manerena an'Italia.
3) Fihaonan'i Pretra Malagasy rehetra monina sy miasa na mianatra eto Italia (TAONAN'NY PRETRA).
4) Fihaonan'ny Relijiozy sy ireo olona manokan-tena samirery noho ny Evanjely, monina sy miasa na mianatra eto Italia.

Ireo Vaomiera 4 (araka ny Sata mifehy antsika):

1.    Ny
mpanolon-tsaina voalohany
dia
hitarika ny vaomieran’ny finoana.

Izy
no mikarakara ny fiomanana amin’ny Sakramenta rehetra, ny Litorjia, ny
fiofanana amin’ny Soratra Masina, Fikambanana masina, ary ny fihatahana masina,
sns...

 

2.    Ny
mpanolon-tsaina faharoa
dia hiandraikitra
ny ara-bola sy ny fitaovan’ny “Aumonerie”.

 

3.    Ny
mpanolon-tsaina faha-telo
dia
hitarika ny vaomieran’ny kolon-tsaina, ka hikarakara ny antokom-pihira, ny
fety, ny tanora sy ny ankizy mba ho fiarovana ireo vakoka sy haren-tsaina ary
ny fiteny Malagasy na hafa koa.

         Mijery ny fomba tokony hampianarana
an’izany raha ilaina.

 

4.    Ny
mpanolon-tsaina faha-efatra
dia
hiandraikitra ny mety ho fifandraisana (na serasera) rehetra eo amin’ny:

                     - samy mpikambana

                     - ara-piraisam-pinoana

                     - “Aumonerie” any amin’
faritany (province Italie) na firenen-kafa.

                     - Mpiray tanindrazana any
Madagasikara.

          Noho izany dia miara miasa akaiky
amin’ny Filoha izy.